Other News

Governora Faritra Anamalanga teo aloha : Namoaka didy fampisamborana ny fitsarana

Namoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’ny governoran’ny Faritra Analamanga teo aloha, Raso­amaromaka Hery, ny fitsarana. Antony ny fametrahan’ny tomponandraikitry ny orinasa misahana ny fanamboarana ny trano Lac Village Ivato fitoriana. Voalaza fa ny tomponandraikitry ny Faritra Anala­manga no sakana amin’ny fandoavam-bola. Ny orinasa Building Mora Lac Village Ivato no nahazo […]

Mila miasa

  Mahazo vahana ny fanakianana mialoha ny fotoana, an­kehitriny. Zary lasa toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy sasany ny fifanomezan-tsiny tsy amin’ny fotoany. Manavanana kokoa ny fisainana miiba noho ny fahavononana ny hanatsara. Mazana ny fanenjehana mamaivay no manjaka. Hadino ny mombamomba ny fifanohanana sy ny fifampitarihana mankany amin’ny tsara. Toe-tsaina miiba […]

Mpifindra monina avy any Etazonia: Anisan’ny firenena noresahin’ny Amerikanina i Madagasikara

Tafiditra amin’ny firenena anaovan’ny Amerikanina fifampiraharahana amin’ny fandefasana mpifindra monina tsy ara-dalàna i Madagasikara. ”Tsy mbola nanome valin-teny mahakasika izany aho”, hoy ny kolonely Randrianirina Michael. Nohamafisin’ny filohan’ ny fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, fa nisy tokoa ny iraka avy any Etazonia, niresaka momba ny […]

Baolina kitra – PFL: Manambana hikomy ny mpitsara ao Mahajanga

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mandeha ny resaka any amin’ny faritr’i Boeny fa misy andiana mpitsara hikasa ny hikomy indray any an-toerana. Nilaza ny eo anivon’ny CFEM fa efa nampitandrina an’izay mpitsara mikasa […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Albacete, ny eki­pan’ny Real Madrid Fc, Espagne. Tsikaritra tao anatin’ izany lisitra izany fa tsy ao ry Mbappé, Rodrigo, Carreras, Trent Alexander Arnold, Bellingham, Rudiger, Tchouameni ary i Courtois. Kotrana sy fiarahana mikorana no hanombohana ny taona ho an’ny […]