Other News

Basikety : Nomena “Chevalier de l’ordre national” Ratafia

Nentina nomena voninahitra farany teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia ary nomena ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national”. Noho ny zava-bitany, izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, no antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy izao mari-boninahitra izao. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andria­manitra […]

Federasionina malagasin’ny handball : Takin’ny filohan’ny ligin’ Atsinanana ny trosa teo aloha

Manaiky ny fifidianana saingy mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriamben’ny Federasionina malaga­sin’ny handball (FMHB), ny filoha mpitantana ny ligin’Atsinanana, Razanadrakoto Harinaivo. Mangata-panazavana ny amin’ny trosa teo aloha izy. Ny sabotsy lasa teo, namory mpanao gazety teo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, Razanadrakoto Harinai­vo, filohan’ny ligin’Atsinanana amin’ny taranja handball. Nilaza ny tsy […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa teny Andafiavaratra, omaly, ny fanaovan-tsonia ny fangatahana ofisialy, fampidirana ny Mi­siona Katolika Ambodifotatra Sainte Marie, ho harem-bakoka iraisan’izao tontolo izao. Amin’ny maha fiangonana kristianina voalohany teto Madagasikara azy no angatahana izany eo anivon’ny Unesco. Vavolombe­lon’ny tantaran’i Madagasikara amin’ny maha harem-bakoka azy rahateo ity fiangonana ao Sainte Marie ity. Nomarihin’ny […]

Minisiteran’ny Kolontsaina: “Misokatra amin’ny mpanakanto rehetra”

Tsy niandry ela. Vantany vao nigadona an-tanindrazana dia noraisin’ny minisitry ny Kolon­tsaina sy ny serasera sy ireo mpiara-miasa aminy teny Ano­sy, ny alin’ny talata teo, i Denise. Avy nandrombaka ny anaram-boninahitra “Vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy, nandritra ny “All Africa Music Awards”, izay natao tany Lagos Nigéria […]

Kabary : Mivelatra fa mihen-danja?

Marihina, anio, ny « Androm-pirenena ho an’ny kabary ». Zavakanto, kolontsaina, soatoavina, anisan’ny mivelatra be ny kabary raha tazanina amin’ny isan’ny hetsika sy ny olona misehatra ao aminy. Saika ahitana fampianarana sy fampiofanana momba ny kabary ny ankamaroan’ny sekoly, indrindra fa ny tanàn-dehibe. Ny ankamaroan’ny « hetsika », saika ahitana kabary avokoa. Tsy vitsy […]