Other News

Karate-Taona 2026 : Nosantarina tamin’ny fampivondronana

Fampivondronana ireo atleta hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly no nisantaran’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, ny tao-pikatrohana 2026, teny Ambatobe, omaly. Mpikatroka 59 no efa tonga nivondrona ary mbola misy ireo andrasana. Haharitra 4 andro ny fampivondronana ireto mpikatroka eo anivon’ny taranja Karate ireto, amin’ity andiany voalohany ity, hahitana sokajy […]

TSELATRA

Manamboninahitra iray, ao amin’ny Tafika an-tanety, antsoina hoe : Rakotomalala Jean Ernest, karo­hin’ny zandary fatratra amin’izao fotoana izao. Antony ha­nenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Marihina fa misesisesy ny fikarohana olona ataon’ny zandary tato ho ato. Hita omaly, ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy nanjavona tampoka tao anaty ranon’i Mandritsara, ny ny […]

Niady ravin-jirofo : Maty nofirainy antsy ny rahalahiny

Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria ny lehilahy iray namono nahafaty ny rahalahiny, tao amin’ny tanànan’Ante­nina Sahalava, kaominina Ampa­simbe Manasatrana, afakomaly. Nifanaraka andro vitsivitsy lasa talohan’ny fety ireo mpirahalahy ireo. Nivaro­tra ravin-jirofo tamin’io mpiray tampo aminy io, araka izany, ny lehilahy iray. Mitetina 70 000 Ar ny vidin’ny entana. “Nanome […]

Ivandry: Mpamaky trano voasambotra

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fa­nolorana azy teny anatrehan’ny fampanoavana, ny jiolahy mpamaky trano iray. Telo lahy nifanehatra tamin’ny ekipan’ny polisim-pirenena tanaty elakelan-trano teny amin’ny fo­kontany Ivandry, boriboritany fahadimy, ny alin’ny talata 6 janoary teo. Nitondra fitaovana fampiasany manao ny asa ratsiny ireo jiolahy ireo. Nitsorika nitsofotsofoka tany anatin’ny […]