Hanolotra volavolan-dalàna ho fanandratana ny vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay avy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ho fiarovana izany. Tetikasa iarahany amin’ny Omapi, rantsamangaika misahana ny fizaka-manana ara-indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny vokatry ny fambolena, ny asa tanana ary ny vokatra voahodina. […]
Other News
Vokatra fanondrana : Atao malalaka ny vidin’ny lavanila
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fa atao malalaka ny vidin’ny lavanila manoloana ny fitobahan’ny tahiry eto an-toerana sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fepetra noraisin’ny komity teknika momba ny lavanila izay misy ny fiadidian’ny Repoblika, ny Primatiora sy ny minisitera samihafa izany. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra manitsy malalaka […]
Rafitra CGES : Mitaky andraikitra ho an’ny mponina misitraka ny Faritra arovana
Nivoaka ny bokibe CGES, mirakitra ny fitantanana maharitra ny Faritra arovana. Fiovana lehibe ao anatiny ny hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny fitantanana, izay mitaky andraikitra ho azy ireo ihany koa. Efa tamin’ny taona 2020 no novolavolaina ary nivoaka omaly, ny Rafi-pitantanana ara-tontolo iainana sy sosialy (CGES) ho an’ny Faritra arovana […]
TARATRY ny KANTO
Ho avy eto ihany i Gabi Hartmann. Anisan’ireo mpihira sy mpitendry gitara mirona amin’ny jazz frantsay amin’izao fotoana, izy. Tokony ho vahinin’ny hetsika “Madajazzcar 2025”, saingy tsy tontosa tamin’ny volana oktobra teo izany. fantatra kosa izao fa hoavy ihany ary hanolotra seho ny 12 desambra izao, ao amin’ny IFM Analakely. […]
tarika Reko : Hifampitaona amin’ny mpankafy etsy Mahamasina
Hanatanteraka kaonseritra lehibe etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ny tarika Reko, ny alahady 28 desambra ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Studio 58. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, entina hanakatonana ny taona 2025. Nampanantena seho vaovao miavaka sy avo lenta indray ny tarika taorian’ny fampisehoana nataon’izy ireo […]






