Sompitr’i Madagasikara ny any Alaotra. Maro anefa ny sakana amin’ny fampitomboana ny vokatra. Vaky ny fefiloha Ampariatody, miaro lemaka 3 500 ha, ary betsaka ny tsy azo volena tratry ny tondradrano sy fasika. Misy fefiloha iray hafa manondraka 3 600 ha, mila hamafisina. Maromaro ny vahaolana nomen’ny minisitry ny Fambolena […]
Other News
Indri-Miarakap-Kinome : Toekarena maitso miteraka fampandrosoana haingana
Atao eto Antananarivo, omaly 9 sy anio 10 desambra, ny fikaonandoha iraisam-pirenena. Fihaonana mifantoka amin’ ny fametrahana fanamby hikarohana vahaolana hisian’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny toekarena maitso. Miaraka mikarakara ny fotoana, ny Indri, ny Miarakap, ny Economic Policy Network ary ny Kinome. Nanatrika tao daholo ny sehatra avy amin’ny fanjakana, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny FFKM fa anisan’ny nasaina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, amin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena, anio, eny Ivato. Nambaran’izy ireo fa misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara amin’izany. « Diniky ny samy Malagasy ary vatsian’ny Malagasy vola », hoy izy ireo. Mbola hisy fampiofanana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo hiatrika […]
Dr kolonely Zafitasondry Marcellin : “Sahia mitoroka trangana kolikoly ianareo vahoaka”
“Raha misy trangana kolikoly aminareo vahoaka, sahia mitoroka”, hoy ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Dr kolonely Zafitasondry Marcellin, tamin’ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Bianco, 104 tapitrisa no nanamboarana azy, izay fandraisana fitarainana tsy lavitra ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, tao anatin’ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny […]
Filoha vaovaon’ny Ceni, Rakotonarivo Thiery ; « Miankina amin’ny fikaonandoha ny hoavin’ny fifidianana »
Nandray ny fitantanana ny Ceni ny filoha vaovao, Rakotonarivo Thierry, omaly, rehefa nametra-pialana ny filoha teo aloha, Andrianarisedo Dama Arsène. Niova ny birao ary napetraka ny laharam-pahamehana. Nambaran’ny filoha vaovao ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity fa anisan’ny laharam-pahamehana aloha izao ny fikaonandoham-pirenena. Hamaritra ny dingana rehetra hatao eto amin’ny […]






