Hanomboka anio ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe. Mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Natao ny andrana ny zoma lasa teo. Ary nitohy ny sabotsy ny fampahafantarana sy ny fanentanana ny olona manodidina ny zotra an-dalamby ny fisiany, fa indrindra ny fepetra tsy maintsy hajaina sy arahina. Nisokatra nanomboka ny 8 desambra […]
Other News
Orge malagasy : Manan-danja saingy tandindomin-doza
Zavamaniry avadika ho lasa « malt » ny orge, ilaina amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mamboly azy ny tantsaha malagasy, maherin’ny 20 000, mamatsy ny orinasa Malto, sampana orinasa an’ny Star. Niavaka sady tsara ny vokatra tamin’ity taom- pamokarana 2025 ity, satria tafakatra 11 300 t ny orge voaangona tany Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra […]
Ladoany : Mitombo ny fandanian’ ny « transitaires »
Misedra olana ireo mpandraharaha ao anatin’ny vondrona fampivondronana entana (groupage) avy any ivelany. Mitombo ny fandanian’izy ireo ka miteraka fatiantoka, vokatry ny fitsipika vaovao napetraky ny sampandraharahan’ny Fadintseranana. Nambaran-dRandrianarisoa Rivo, mpikambana ao anatin’ity vondrona mpandraharaha ity, fa tsy misy afa-tsy kaontenera iray isan’andro sisa no vitan’ny mpiasan’ny Ladoany tsirihina. Marobe […]
Dr Andriamandimby Souleman: Mitondra fampandrosoana ny fitrandrahana ny « Géodiversité »
Anisan’ny namelabela-kevitra nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Géodiversité, ny alakamisy 11 desambra teo, teny amin’ny oniversite Ankatso, ny Dr Andriamandimby Souleman Ibrahim. Mpampianatra mpikaroka ny tenany, sady talen’ny Foibem-pikarohana ny jeolojia, ny otrikarena ambanin’ny tany ary tontolo iainana. Nasongadiny fa voambolana tsy mbola fantatry ny besinimaro nefa manan-danja amin’ny […]
Kung Fu Wisa: Miady amin’ny tsy fandriampahalemana
Anatin’ny famaranana ny faha-45 taona hidiran’ny Kung Fu Wisa hatrany amin’izao ny federasionina malagasin’ny kung Fu. Nisy, araka izany, ny fiofanana ho an’ireo Maîtres manerana ny Nosy, ka anisan’ny nisitraka izany ny tany Antsirabe, ny sabotsy 13 desambra lasa teo. Ny Grand Maître Avoko no nanome ny toromarika ho azy […]






