Other News

Orinasa afakaba : Fangatahana « agréement »

Nikarakara fivoriana loabary an-dasy ny zoma teo, ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny tsy miankina (MIDSP) sy ny EDBM (Economic Developmemt Board of Madagascar), niaraka tamin’ny mpandraharaha tsy miankina, sy ny rafi-panjakana samihafa ary ny mpikambana anaty Vao­miera iraisan’ny minisitera (CTI). Fifanakalozan-kevitra, nifantoka tamin’ny fahazoana fahazoan-dalana ho an’ny orinasa […]

« Red Circle » andiany faharoa : Tsy afa-miala amin’ny niomerika ny fitantanana orinasa

Natao ny 20 novambra teo, ny fikaonandohan’ny mpandraharaha ara-toekarena, ny « Red Circle », andiany faharoa. Lohahevitra nodinihina ny hoe, « ny «  Cyber-Résilience », zava-dehibe amin’ny fitantanana maharitra sy mahatsara endrika ny orinasa ». Nikarakara ny fotoana ny Airtel Business, misa­hana ny fandrahara­hana ao amin’ny orinasa. Ma­nodidina ny 80 ny nandray anjara teny amin’ny Novotel […]

Feno 80 taona : Mpanakanto feno i Nalisoa Ravalitera

Vitsy ny manan-talenta tahaka azy ! Saika tazana ao amin-dRabenalisoa Ravalitera Jean na i Nalisoa Ravalitera avokoa ny talenta kanto. Ny 28 desambra teo, tao amin’ny Ivokolo Analakely (efitrano Charles Ravaloson) no nanamarihana sy nankalazana ny faha-80 taonan’ity akademisianina andrare­zin’ny zavakanto ity. Noporofoina niaraka tamin’ireo nasaina tamin’izany fa sady poety izy […]

Tsy ho sakana ny fahavaratra : Hitohy hatrany ny adin-kiragasy

Iray amin’ireo fe-petra takin’ny fanaovana hiragasy ny fananana toetr’andro maina, noho izy tanterahina eny an-kianja. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, hanao dingana lehibe ny tontolon’ny hiragasy. Ny nahazatra hatramin’ izay, vao tonga ny va­nim-potoanan’ny orana. Mitsahatra ny adin-kiragasy, satria, mikarakara ny eny an-tsaha ny mpihiragasy, sady ratsy rahateo ny lalana. Raha […]

Judo- Grand Slam d’Abu Dhabi : Laharana faha-7, Rasoanaivo Laura

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana “Grand Slam d’Abu Dhabi”, taranja Judo. Laharana faha-7 ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, izay nifaninana teo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg. Nahazo fandresena i Laura tamin’ny ady voalohany natrehany, nano­loana ilay teratany Libianina , i Chayeb Aqulina ary niatrika ny […]