Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 19 desambra ho avy izao, any Maurice, ao amin’ny Kianjan’ny Côte d’Or, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, “Indian Ocean U15 Festival 2025”. Handray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka izany, hisy ny fampivondronana ireo tanora malagasy, vavy sy lahy, latsaky ny 15 […]
Other News
Karate-Tompondaka maneran-tany : Tsy nahita vahaolana ho an’i Mirantsoa ny FKM
Resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera, nanomboka ny alarobia lasa teo, ny tsy nahafahan’ilay Malagasy mpikatroka, Razafindrakoto Mirantsoa, nihazo an’i Egypte. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay tokony nanomboka omaly, ny anton-dia saika halehany tany an-toerana. Nitondra fanazavana ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. “Izaho filohan’ny Federasionina no malahelo voalohany rehefa misy […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tokony ho fialokalofan’ny mpanao ratsy ny Andrimpanjakana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Anisan’izany ny Antenimierampirenena. « Tsikaritra fa ihazakazahan’ireo mpanao politika manana dosie maloto ny mirotsaka hofidina depiote. Tokony hanokafana fanadihadiana izy ireny », hoy izy. Hihazo any Frantsa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Hanamafy ny […]
Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy voafaritra ho olon’ny antoko ny mpiasam-panjakana”
“Ny asam-panjakana ange tsy misy hoe rehefa miova ny fanjakana na ny fitondrana dia manafatra olona avy any an-danitra, angamba, hapetraka eo amin’ny fitondrana sy hanompo ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy tany Ambovombe Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, […]
Mbola miandry
Mbola misangodinkodina be, tsy hita hoe ahoana marina ity raharaham-pirenena ity. Samy mandray izay tiany handraisany izay miseho ny olom-pirenena. Hatreto tokoa anie tsy hay hoe Tetezamita sa Repoblika? Fanina mihitsy aloha raha tsy mbola mahay ny hodidina politika eto amin’ny tanàna. Mila maharaka tantara mihitsy mba tsy ho […]






