Tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo, vokatry ny fihenan’ny haavon’ny riandrano any amin’ny tohodranon’Andekaleka sy Mandraka. Vahaolana ny hampiasana ny milina mpamokatra mandeha amin’ny solika. Nitondra fanazavana ny talen’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, momba ny tsy fahampian’ny herinaratra amin’izao fotoana izao. Tsara kokoa ny zava-misy, ankehitriny, raha […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Loza mitatao raha avela hitohy ny fitsaram-bahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Mampanjaka ny herisetra, ny valifaty ary ny tahotra izany. « Mila fanavaozana ny rafi-pitsarana hiverenan’ny fitokisan’ny olona. Tokony hanomboka amin’ny fanadihadiana izany ka hatramin’ny famoahana didy », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny Bianco sy […]
Fifidianana filoham-pirenena : Nametraka fepetra ny ONU sy ny UA
Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy Antaninarenina, afakomaly, ny iraka avy amin’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Idris Farah, sy ny solontenan’ny Firenena mikambana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nambaran’ireto delegasionina fa hijery sy hanara-maso ny fandrosoan’ny dingan’ny Fanavaozana izy ireo, ahafahan’ny ONU sy ny UA manohana an’i […]
Mila fanazavana ny vahoaka
Nahoraka omaly, tamin’ny fitaovana fampitam-baovao fa misy an’izany andrana na « Essai clinique » mahakasika ny Mpox izany eto Madagasikara. Samy nitondra ny heviny sy ny fomba fiheverany azy ny olona. Tsy eny amin’ny hopitaly ihany fa hatrany anatin’ny fiarahamonina rehetra any dia nametra-panontaniana hoe: Inona indray re ity e? Ny […]
Fikaonandoham-pirenena : Manahy ny amin’ny mety ho seho ivelany ny Gen Z
Nandray ireo solontena’ny komity mpikarakara ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Mahazoarivo. Nifanakalozana hevitra ny momba ny dingana amin’ny fikaonandoha. Noresahina nandritra izao fihaonana izao ireo asa efa vita sy ny mbola miandry, hatao amin’ny fampidirana ny tanora amin’izao firosoana amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena izao. Manoloana […]






