Other News

Muay thai : Nahazo diplaoma roa ny maître Gildas

Fahombiazana tanteraka ny dian’ny maître Razanajatovo Gildas tany Thaïlande. Nandritra ny roa volana izy no nianatra sy niofana tao amin’ny Muay thai Institute Rangsit International ary nahazo ny mari-pahaizana IS2 sy IS3 ho an’ny “instructeur international”. Ady totohondry izay natao tao Pattaya, tao amin’ny Max Muay Stadium, ny sabotsy lasa teo, […]

Amboaran’ny CAF : Ahina tsy hanana solontena i Madagasikara

Klioba roa amin’ireo efatra mbola anaty fifanintsanana “Yas Coupe de Madagasikara” no manana ny “Licence de club Caf”, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Ahina ho sarotra ny raharaha raha tsy tafita amin’ny famaranana ireo ekipa roa ireo. Hotontosaina ny alarobia 22 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao manasa-dalan’ny […]

FFKM : «Miantso ny mpitondra hanohy ny fandraisana andraikitra»

“Miantso ny tomponandraikitra rehetra izahay mba hanohy hatrany ny fandraisanareo andraikitra sy ny fepetra rehetra am-pahamarinana sy am-pahitsiana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka mba tsy hiverenan’ny loza tahaka izao intsony”. Io ny fanambaran’ny FFKM, tarihin’ny filohany, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny fahaverezana olona sy famoizana […]

16 TAONA ATY AORIANA : Hamerina ny zava-bitany i Espagne

Tafakatra indray any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipam-pirenena La Roja Espaniola rehefa tsy nahita izany nandritra ny 16 taona. Hiezaka ny hamerina ny zava-bitany tamin’ny taona 2010 ry zareo. “16 taona aty aoriana !” Izay indray vao tafita hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial”, ny […]

TARATRY ny KANTO

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fampianarana. Tao anatin’ny 9 volana, nomena fahalalana momba ny solfezy sy ny tontolon’ny valiha sy ny fiarahamonina malagasy ny mpianatra eo anivon’ny Valiha Académie. Fantatra, omaly, fa manomboka ny sabotsy 18 jolay izao, hifantoka any amin’ny fampahafantarana sy fitendrena ny karazana velom-baliha misy izy ireo. […]