Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona telo nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija, tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, afakomaly. Ankizilahy 13 taona namoy ny ainy rehefa nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, distrikan’Andramasina, ny tolakandron’ny talata 25 novambra lasa teo. Tra-doza tampoka ny olona […]
Other News
GOGUETTE ALLIANCE ( 26 11 2025 )
Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara
Natao tany Dakar Senégal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nankatoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy. Nitarika […]
PLFI 2026 : Lany nasiam-panitsiana teny Tsimbazaza
Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka. Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimierandoholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho […]
Fandrosoana sy fivoarana : Matahotra ahafantatra tantara ny Malagasy ?
Raha ny fototra no tsy fantatra na tsy hay, sarotra ny handrosoana. Tsy ireo nanovo fahaizana tany amin’ny ambaratonga ambony ihany no mahay izany fa ireo rehetra miaina sy manaraka ary nobeazina tamina lamina voajanahary. Iray amin’ireny ny tantara. Mila hay, mila fantatra, sns, ho fototra hoenti-miainga. Tsy vitsy amin’ny […]






