Maty tsy tra-drano ny mpandeha roa tamin’ireo enina tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny 5 desambra lasa teo. Niainga avy eto Antananarivo, nikasa hihazo an’Antsirabe io fiara io. Hiditra ny tanànan’ Andalamaty, fokontany Masoandro, kaominina Ampitatafika, PK 91 + 800, nivoaka […]
Other News
Mandripaka ny varatra : Lehilahy nilatsaham-potaka teo ambony bisikileta
Niongana teny ambony bisikileta notaingenany ny lehilahy iray, afakomaly. Nilatsaham-baratra teny an-dalana izy, tao Ihazomay, Ankadinondry. Tafakatra valo ny olona matin’ny varatra tao anatin’ny telo herinandro. Namoy ny ainy teo am-pitaingenana bisikleta ny raim-pianakaviana iray, tao amin’ny fokontany Ihazomay Atsimo, kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nikasa hamonjy fodiana io […]
DADA MAURICE Mpanadio lakandrano
Firosoana amin’ny fanavaozana : Vonona amin’ny fikaonandoha ny Adopt
Dinika fiomanana. Nanantotosa fihaonana sy dinika savaranonando, tetsy Mangarano, Toamasina, ny «Association des originaires de la province de Toamasina – Adopt». Nifanakalo hevitra sy nanangona hevitra tombanana hitondra lalàna sy rafitra vaovao atolotra amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo tamin’izany. Hametrahana lalantsaina hifampitondrana eto amin’ny firenena izany ka hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena, iarahana […]
VAOVAO TAMBATRA
Ho tohizana ny asa fanamboarana ny arabe migodana, hatreo amin’ny PK 80. Ezahina tsy hisy intsony ny tanimbary hokitihina sy hototofana. Hitohy ny fandoavana ny onitra ho an’ireo mponina voakasiky ny fanamboarana. Nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, toromarika koa ny orinasa Samcrete hifampidinika hatrany amin’ny teknisianin’ny minisitera […]






