Nilanja sorabaventy, nidina an-dalambe naneho ny tsy fankasitrahany ny fanakanana azy ireo hivarotra amoron-dalana ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina an’i Soarano, boriborintany voalohany, omaly. Nivondrona ka nampiantso mpanao gazety ireo solontenany. “Tsy mankasitraka ny fanakanana anay tsy hivarotra izahay. Misy fanavakavahana. Nahoana misy avela malalaka hivarotra ary misy tsy avela”, […]
Other News
Zaza narina an-davapiringa : Notanana am-ponja ny reniny
Naiditra am-ponja, omaly, ny renim-pianakaviana iray nanary an-janany tao an-davapiringa, tao Atalata Atsinanana, distrikan’Ambohimahasoa. Zaza menavava hitan’ny fokonolona tao anaty lavapiringa, ny 27 novambra lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fisian’io tranga io ny tompon-tanàna. Nikasa hanao ny filàny tao anatin’io toerana io ny olon-tsotra iray kinanjo nahita ilay fatin-jaza. Nifangaro […]
Tamboho nihotsaka : Efa-mianaka niara-maty teny Soavina
Niara-maty, nirodanan’ny tamboho tao an-trano, ny olona efa-mianaka, omaly, teny Ambavihy, Soavina. Tsy nisy tafavoaka, tototry ny tany, biriky sy béton izy ireo nandritra ny torimasony. Nirodana vokatry ny orambe tsy niato ny tamboho iray tetsy amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina Soavina, disitrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tamin’ny 11 […]
D 2 Nasionaly – Ambohidratrimo : Ho fantatra anio ireo ekipa hanao famaranana
Hotontosaina, anio, eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro farany fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des AS”, diviziona faharoa nasionaly. Ho fantatra anio, araka izany, ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo klioba mifanintsana any Ambohidratrimo. Raha ny filaharana vonjimaika navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, tao amin’ […]
SOMBIM-BAOVAO
Efa ao anatin’ny fanomanana tsara ilay fifanintsanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja baolina kitra, ny Barea zandriny, lehilahy sy vehivavy. Tonga nijery ny fanazarantena izay nataon’izy ireo, tetsy Mahamasina, ny talata teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred. Tsiahivina fa ity hetsika ity izay hatao any Maurice, […]






