Mpianatra miisa efatra, ao amin’ny kilasy fahasivy, tetsy amin’ny sekolim-panjakana, CEG Talamaty, niharan’ny tranga hafahafa omaly maraina. Nibitabitaka, nitsipatsipaka, nitabataba, nitomany, niha sempotra ary niafara tamin’ny fahatoranana mihitsy ny fisehon’ny aretina, raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny an-toerana. Nifindra tamin’ireo iray kilasy taminy izany ka nisehoan’ilay tranga ihany koa […]
Other News
Nanafika Cash point: Jiolahy iray voasambotra
Jiolahy nitam-basy tratran’ny polisim-pirenena miasa ao Toliara, omaly. Nanafika mpiasa amin’ny toerana fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday, Cash point, tao Tsienengea, ny olon-dratsy roa, ny talata 18 novambra lasa teo. Hamonjy fodiana, ny harivan’io andro io, ilay ramatoa kinanjo narahin’ireo mpanao ratsy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ka voaroba ny vola teny […]
Lozam-pifamoivoizana teny Ankasina Lehilahy iray maty, nitroatra ny mponina
Maty voadonan’ny fiara teny Ankasina ny lehilahy iray, omaly. Nandositra ilay tompon’antoka. Tezitra ka nikomy ny mponina, nivadika ho sakan-dalana sy fandorana kodiarana ny zava-nisy. Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, nanakan-dalana sy nametraka sakana teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Andohatapenaka sy Ankazomanga, ny mponina teny Ankasina, omaly. Tsiahivina […]







