Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao. Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana […]
Other News
HCC : “Misitraka ny tombontsoan’ny filoha ireo mpanolotsaina avo”
“Ny kolonely Lucien Rabearimanana, ny kolonely Dr Marcellin Zafitosondry Ranoelson Manantenasoa, ny kolonely Thierry Rampanarivo Solofoniaina, ary ny lietnà-kolonely Gervais Andriamiarisoa no nomena ny anaram-boninahitra ho mpanolotsaina avo momba ny Fanavaozana, miaraka amin’ny lamina mifanaraka amin’izany sy ny karaman’ny filohan’ny Repoblika”. Io ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana […]
Fandoto iray tandroka monja
Tandremo ny singam-bolo mety handavo ny vositra! Mahalasa saina ny zava-nitranga omaly maraina, teny Ankasina. Tapakandro monja dia nikatso ny fiainan’ Antananarivo Renivohitra, noho ny fitokonan’ny mponina. Tapaka tanteraka ny lalana iray, teny an-toerana. Poa toy izay, nihitsoka ny tontolo andro. Ora maro no very ho an’ny mpiasa, ny […]
Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël: “Omena fahalalahana tanteraka ny FFKM”
Nanomboka omaly, haharitra hateloana ny fikaonandoha kristianina. Nanokatra izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Ity farany izay manome fahalalahana tanteraka ny FFKM amin’ny fanomanana ilay dinika nasionaly. Nambarany fa zava-dehibe ny hetsika tahaka izao fa mitondra any amin’ny fanorenana ifotony iarahana manao. « Tafiditra ho anisan’izany fanorenana izany ny fanovana […]
TSELATRA
Lehilahy iray maty nilatsaham-potaka tany Behenjy, distrikan’Ambatolampy, afakomaly hariva. Tra-doza teo am-piandrasana omby tany an-tsaha izy, raha ny fanazavana voaray. Avy ny orana tamin’io fotoana io, nilatsaka sy nirefotra tampoka ny varatra ka nahavoa azy. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. May ny tendany sy ny […]







