Araka ny vaovao nampitain’ny Polisim-pirenena Fip Ambatondrazaka, nisy vatosoa tsy ara-dalàna, ametista, milanja 19,30 kilao, tratran’izy ireo ny alahady 2 novambra teo. Voalaza fa avy any anaty ala faritra arovana any Tanandava, eo amin’ny fizaran’ny faritra Alaotra Mangoro sy Analanjirofo no nivoahan’ireo vatosoa ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ny talem-paritry […]
Other News
Fondation Tany Meva : Hanomboka ny tetikasa Miaro sy Mikolo
Harovana sy harenina ny tontolo iainana any amin’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny Fondation Tany Meva sy ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Miaro sy Mikolo, novolavolain’ny fikambanana Fondation Tany Meva ary vatsian’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) vola, […]
TARATRY ny KANTO
Nate Tex, ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela tsy tazana an-tsehatra, saingy manohy foana ny mozikany i Nate Tex. Teo aloha ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika nisy teto amin’ny firenena, amin’ny maha mpanakanto mahatsiaro ho manana andraikitra. Hihaona indray amin’ireo mpakafy azy, ary hizara ny mozikany ranofotsiny i Nate Tex […]
Fanarenana goavana: Tsy mahay miteny malagasy ny tanora
Tsy honohono intsony fa tena zava-misy eny amin’ny fiarahamonina! Tsy mahay miteny malagasy ny tanora ankehitriny. Na ny feo aloaky ny vava, na ny hevitra tian’ny saina hampitaina, indrindra fa ny fomba hoenti-mandrindra ireo roa ireo… Tsy tafavoaka, tsy afa-maneho hevitra ny tanora ankehitriny. Vao mainka misongadina be io tsy fahaizan’ny […]
« Festival An’Tsary Doc Mada 2025 »: 3 andro ho an’ny horonantsary fanadihadiana
Mampahafantatra, manatsikafona, manasongadina ny horonantsary fanadihadiana. Ny fisokafana amin’izao tontolo izao indrindra no tanjon’ny hetsika « Festival An’Tsary Doc Mada 2025 ». Hetsika ho an’ny horonantsary fanadihadiana. Nahitam-pahombiazana ireo andiany teo aloha, ka hotohizana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Saika ho natao tamin’ny volana septambra teo izy ity, saingy voatery nahemotra, ka […]







