Niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ny zava-pisotro labiera nanomboka ny taona 2020 hatramin’ity 2025 ity. Tafakatra 850 Ar isaky ny litatra raha 290 Ar/l izany teo aloha, izany hoe nisy fitomboana 293%. Vokany, tsy maintsy nampiakarina ny vidiny nefa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mpanjifa intsony. Manoloana ireo, tandindonin-doza […]
Other News
Tetikasa Produir: Tsy misy ny fanotorana tany
Nitondra fanazavana ireo tomponandraikitry ny tetikasa Produir sy ny Apipa, manoloana ny filazana fa manototra tany ny fiaraben’ny Tetikasa. Fanotorana tany vonjimaika no atao eny Namontana Anosibe, handehanan’ny fiara vaventy manala ireo fotaka, mialoha ny hitaterana azy any Iarinarivo Ambohidratrimo. Misy ny fahazoan-dalana manokana hanaovan’izy ireo izany. Satria tanimbary ny […]
Toekarena : 11% ny harinkarena faobe ny tahan’ny hetran’i Madagasikara
Ambany ny taham-pampidirana hetra eto Madagasikara, izay anisan’ny mamatsy vola anatiny ny tetikasa atao. Mahalana sady tsy mahafantatra ny fampiasan-ketra ny ankamaroan’ny Malagasy. «Mila ezaka ny fampitomboana ny hetra izay tsy misy afa-tsy 11% ny harinkarena faobe monja», raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola vaovao, ny Dr […]
TSELATRA
Betsaka ireo trano may tany Mitriaky, kaominina Analapatsy, Fort–Dauphin, ny alin’ny 27 oktobra lasa teo. Levon’ny afo nandritra izany ny trano 97 tafo. Nihitatra haingana ny afo noho ny herin’ny rivotra teny amorontsiraka. May avokoa ny antsasaky ny tanàna. Olona 206 traboina. Renim-pianakaviana iray naratra, nandritra ny loza. Avotr’ireo fokonolona […]
Mpanakan-dalana : Taksiborosy roa voatafika, voaroba ny 2 tapitrisa Ar
Notafihin’ny dahalo miisa sivy, mirongo fitaovam-piadiana, tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly alina, ny taksiborosy miisa roa. Nitranga teo Antananarivokely, atsinanan’i Bevilany, Maevatanàna, ny loza. Nanao sakan-dalana ireo dahalo ary nandroba ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vodi-basy ny mpamily fiara ka naratra mafy. Ramatoa iray nipetraka teo alohan’ny […]






