Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Nisongadina avy hatrany ny ekipan’Atsinanana, satria nivoaka ho mpandrey avokoa ireo ekipa lahy misolo tena azy ireo. Anisan’izany ny HTHB, nanilika […]
Other News
Fitantanana baolina kitra : Manentana ny mpomba azy hidina an-dalambe ny mpilalao zokiny
“ Mitohy ny tolona”, hoy ireo mpilalao efatra mirahalahy an’ny Barea zokiny: i Abel Anicet, Bolida, Faneva Ima ary i Voavy Paulin, afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. “Mitohy ny ady!”. Hanentana ny olona hidina an-dalambe ireo mpilalao Barea fahiny: i Faneva Ima, Bolida, Anicet Abel, Voavy Paulin, rahampitso, eny Mahamasina. Antony […]
Tana Water Front: Hiverina hisokatra ny Cinépax
Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny sarimihetsika anaty efitrano! Niarina tamin’ny fahavoazany ny Cinépax Madagascar etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Hiverina handefa sarimihetsika, manomboka anio. Tsy mbola toa ny teo aloha, saingy efa vaovao mahafaly ny fisokafan’ireo efitrano fijerena sarimihetsika roa, izay efa nandramana ny alarobia lasa teo. […]
Mpanakanto feno: 80 taona i Nalisoa Ravalitera
Anisan’ireo zokiny indrindra, andrarezin’ny literatiora izy. Hisy ny « Mbarakalin’i Nalisoa Ravalitera », ho fanomezam-boninahitra azy, noho ny faha-80 taonany. Andrarezin’ny zavakanto. Vitsy ihany no manana talenta tahaka azy. Sady poety no mpanoratra, mpampianatra no mpanabe, mpikabary, mpamoron-kira, mpihira mpitendry zavamaneno… Hanatanteraka hetsika lehibe ho azy ny fikambanana Havàtsa-Upem misy […]
VAOVAO TAMBATRA
Tapaka tanteraka ny famatsian-drano ao Toamasina. Vaky omaly hariva ny tohodranon’i Farafaty izay miantoka ny famokaran-drano. Ritra ny fantsona mitondra ny rano avy ao amin’ny tohodrano mankany amin’ny toby fanosehan-drano. Tonga teny an-toerana ny teknisian’ny jirama mijery ny fomba mihazona ny rano ao amin’ny tohodrano ka ahafahana mamatsy indray ny […]






