Other News

Letisia : Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity

Hanomboka ny 15 ka hatramin’ny 20 novambra ny taom-piotazana letisia eto amintsika. Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha. « Nisy ny ezaka nataon’ireo mpisehatra taorian’ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa hanatsarana ny vokatra. Ity farany izay mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy […]

Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé : Manam-pahaizana momba ny toekarena

Anisan’ireo endrika vaovao ao anatin’ny governemanta ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, voatendry ho minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manam-pahaizana momba ny toekarena sy mpampianatra eny anivon’ny oniversite ny tenany. Izy, araka izany, no handimby an-dRabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fanamby goavana ny miandry ny minisitra vaovao, hanarenana ny toekarem-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany […]

Jeune Patronat de Madagascar (JPM): Hijery ny fomba fampandrosoana ny fandraharahana

Hitondra vahaolana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahan’ny tanora sy ireo teboka hanohanana ny toekarena ny JPM mandritra ny fivoriambe ho ataony. Horesahina manokana ireo paikadim-panarenana sy ny hampandrosoana ny fandraharahana. Hotanterahina ny 26 novambra ny fivoriamben’ny «Jeune patronat de Madagascar» (JPM). He­tsika hamoriana ireo tanora mpandraharaha, mpitantana, manam-pahaizana amin’ny toekarena ary […]

TARATRY ny KANTO

Tafiditra hifaninanana anatin’ny « African Entertainment Awards » any Etazonia i Basta Lion. Ao amin’ny sokajy « Best reggae / dancehall artist » no misy azy, milahatra amin’ireo mpanakanto afrikanina malaza maneran-tany toa an-dry Ruger, Shenseea, Masicka, Spice, Popcaan, sns. Ny 20 desambra izao no hanaovana ny lanonana fampahafantarana izay […]

Fitantanana sy fanovana : Mila hajaina ny fahasamihafana

Raha misy mahasarotiny ny Malagasy voalohany, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina. Amin’ny maha Nosy be velarana an’i Madagasikara, tsy voatery hitovy izy ireo. Io tranga io no mila hampanjakana sy hanomezana lanja ny fifanajana ao anatin’ny fahasamihafana. Lamina voajanahary sady hay no niainan’ny Malagasy, saingy, nopotehin’ny […]