Other News

Baolina kitra : Hanazatra ny Al Merrick U23 ny Coach Rôrô

Hanazatra ny ekipa U23 an’ny Al Merrick Soudan, ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôrô), ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027. Hameno ny tsy ampy amin’ny mpilalao maratra na mihena fahaizana ao amin’ny D1 izy. Nitondra fanazavana mahakasika ny handehanany any Soudan, izay niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera, Rako­tondrabe Romuald (Coach Rôrô), omaly, teny amin’ny […]

Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »

Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe. Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa […]

« Zara Lalao 2026 » : Roa andro hampiainana ireo lalao malagasy

Fampitana, fanabeazana, fanampiana ary fanohanana ireo zaza malagasy. Izay no tanjona ankapoben’ny fikambana Sombiny Haiko, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amin’ny Ivokolo Anala­kely, omaly. Ho fanatanterahana izany, maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola tetikasa homanin’ny fikambanana. Akaiky indrindra amin’ izany ny «Zara Lalao 2026», hatao ny 15 sy […]

Kolontsaina, finoana : Hihaona ny taranak’ Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Am­bohimamory. Tsy avelan’ny taranaka, fianakaviana, ankohonana ho very izany fa misy hatrany ny fihaonana eo amin-dry zareo. Hifankahalalana, hifampitana vaovao sy hafatra, hana­tsarana an’Ambohimamory sy ny vakoka misy eo aminy. Iray amin’ireny toerana na faritra na trano manan-tantara ireny ny FJKM Ambohimamory Orimbato. […]

Jazz@Tohatohabato : Andrasana fatratra ny « Grande scène » rahampitso

Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana. « Jazz Kids » narahin’ny « Jazz VIP ». Nodimbiasan’ny « Jazz Quartier ». Seho roa lehibe no andrasana anio sy rahampitso. Anio, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, eo amin’ny tohatohabaton’ Antaninarenina. «Jazz Street» na ilay sehatra malalaka hanana endrika fifanakalozana ho an’ny […]