Ho anisan’ireo taranja vonona hiatrika ny lalao afrikanina ho an’ny tanora 2025 ny taranja rugby. Handray anjara amin’izany ny ankizivavy sy ny ankizilahy. Efa ao anatin’ny fanomanana izany izy ireo ka hosedraina ireo miatrika ny fampivondronana anio. Hotanterahina ao Luanda Angola, ny 10 ka hatramin’ny 20 desambra ho avy izao, […]
Other News
Diana : Voarara ny fihinanana sy fanjonoana sardine
Namoaka filazana ny Fitantanam-paritry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga, faritra Diana. Voalaza fa mikatona ny fotoam-panjonoana ny karazan-trondro sardine. Araka izany, voarara manomboka ny 1 novambra 2025 ho avy izao, hatramin’ny 31 marsa 2026, ny jono, ny fitaterana, ny varotra ary ny fihinanana an’io karazan-trondro io sy […]
Haintany: May ny alan’ Ankarafantsika
Nahitana trangan’afo vaovao ao amin’ny atialan’Ankarafantsika, ny 13 oktobra 2025 teo. Voafehy ny afo, saingy nirongatra indray roa andro taty aoriana. Niara-nisalahy ny mponina eny ifotony, ny mpitantana ny toerana ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny mpitandro filaminana, ny mpamonjy voina avy any Mahajanga, ny ekipan’ny Madagascar National Park (MNP) ary […]
TARATRY ny KANTO
Nivoaka ny boky « Amboaran’angano 2 », nosoratan’i Arikaomsa Randria, ary noravahin’i Max Razafindrainibe tamin’ny sary. Ny Edition Jeunes Magaches no nanatontosa ny boky, izay mirakitra angano 5 ho an’ny ankizy. Efa misy angano fihaino koa miaraka aminy, amin’ny teny frantsay sy teny malagasy. « Mandrora mitsilany », « i Karenjy », « Ny zanak’i Vorombe », « Imaintsoanala […]
Misaona ny zavakanto : Nodimandry i L Saphira
Toy ny vara-datsaka ny vaovao… i Marghe no nampahalala voalohany fa nodimandry omaly i L Saphira. « Ianao no mpihiran’ny fianakaviana. Mihira ny hiranao foana aho tany Madagasikara. Raha vao fantatrao hoe te hanohy ny lalana nodiavinao aho, dia ianao no voalohany natoky ahy. Veloma Tatie… Na i Madagasikara aza mankafy […]







