Other News

Melaky : Fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna

Notanterahina ny 2 oktobra teo, tao amin’ny biraon’ny Prefektioran’i Maintirano, ny fihaonana teo amin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) faritra Melaky, andaniny, sy ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana hazo rehetra ao Maintirano, ankilany. Nampahatsiahivina azy ireo ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana izany. Notsindrina manokana […]

Mahajanga: Sigara hosoka 57 600 « cartouches » avy any Azia

Miady amin’ny trafika hatrany ny ladoany malagasy. Sarona tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny 22 septambra teo, ny « cartouches » sigara hosoka, « Good look », miisa 57 600 fonosana. Nahazo antontam-baovao avy amin’ny La­doany renioney ny Fa­dintseranana malagasy. Voa­laza fa misy kaontenera mampiahiahy ny entana ao anatiny avy any Azia. Nigadona tany amin’ny seranan-tsambon’i […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny fivoriambe faha-29 ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) ao amin’ny sahan’ny FJKM. Natao tamin’izany ny fiarahabana ireo mpiasa vaovao hiasa ao anatin’ny synodam-paritany. Mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra maharitra, izay no hafatra nentin’ny filohan’ny FJKM nandritra izany. Anisan’ny iharan’ny fikorontanana noho ny hetsi-bahoaka […]

“Karate-Mada” olon-tokana: Hatao any Antsirabe, ny 1 sy 2 novambra

Hotontosaina ny 1 sy 2 novambra izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’olon-tokana, sokajy Cadet, Junior ary Se­nior, eo amin’ny Kata sy Ku­mite. Ligy 20 no handray anjara, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina ny Karate-do malagasy. Ahitana ny ligin’i Diana, Boeny, Be­tsiboka, Analanjirofo, […]

DAKA AN-JORONY: Aza manao angady tanimanga

Toetra iray mampiavaka ny tomponandraikitra eto Madagasikara, tsy amin’ny raharaham-panjakana ihany, fa hatramin’ny fitantanana ny fanatanjahantena ny tsy fahafahana manapa-kevitra. Tsy maintsy miandry lehibe vao afaka manao zavatra, na hatramin’ny bitika indrindra aza. Aza manao angady tanimanga ê, ka tsy mahatapaka ahitra ary ny famaky banga no tsy mahalavo hazo. […]