Other News

Praiminisitra vaovao : Voatendry ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat

Voatendry halina ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Napetraky ny filohan’ny Repoblika tamin’ny jeneraly Zafisambo Fortunat Ruphin ny fitokisany. Miandrandra ny famahana krizy ny olom-pirenena. Notanterahina, halina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanendrena ny praiminisitra vaovao hisolo ny toeran’i Ntsay Christian. Noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry ny didim-panjakana laharana faha-2025-1035 manendry ny […]

Sasa-miandry!

  Tapitra izay ny fe-potoana niresahana Praiminisitra, dila ny fe-potoana. Andrasana ny ho fivoakan’ny mpikambana mandrafitra ny governemanta. Hatreto, tsy misy mipika izay fikononkononana mahakasika izay any ambadika any. Toa mangina tanteraka ny fanoloana ny mpikambana, izay tena ilaina maika sy tokony ho hamehana tokoa. Raha manjohy akaiky ny hodidina […]

Fanabeazana maha olona : Mitombo ny fahaverezan-kasin’ny vehivavy

Tsy ilay Malagasy fatra-panaja ny maha izy azy intsony no miaina amin’izao vanim-potoana izao? Nomontsanin’ izy ireo ilay fanarahana ny fomba amam-panao mifototra amin’ny lamina voajanahary. Rehefa mety ho manan-kasina rehetra eto amin’ity Nosy ity (fomba amam-panao, toerana, olona, zavatra…), very, takona… Tafiditra tao anatin’ izany ny fanabeazana maha olona. […]

TARATRY ny KANTO

Tsy milamina ny firenena. Tsy milamina manaraka izany ihany koa ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Samy vokatry ny fikorontanana ateraky ny saina avokoa ireo. Tsy mbola tazana loatra ny fiverenan’ilay soatoavina malagasy «ny fanahy no olona». Mbola manjaka ilay “ny saina mamosavy”. Tsy avy any ivelany ( tsy avy […]