Other News

Fomba amam-panao : Tsy nahasakana famadihana ny fanatsatsoana sy ny fanakiviana

Mamaramparana ny fanatontosana ireo fomba amam-panao mandritra ny vanim-potoana maintany, ny Malagasy. Iray amin’ireny ny famadihan-drazana (famadihandrazana). Misy hatrany ny olana fa tsy nampihemotra ny “raharaha”. Isan-taona, miteraka adihevitra maro hatrany ny fanatanterahana ny famadihandrazana. Vao mainka mampitombo izany ny fihamaroan’ isan’ireo sehatra ahafahana miresaka na mitafa na maneho hevitra […]

Tsena andavanandro : Mitaraina amin’ny fitadiavam-bola ireo mpivarotra

Samy sahirana avo­koa izao ny olona. Mananosarotra ireo mpivarotra eny an-tsena izao ny zava-misy ankehitriny izao. Marihina fa tsy niseho tarehy izy ireo mba ho fi­sorahana ny loza mety hitranga amin’ ny fanararaotana ny raharaham-pirenena tahaka izao. Mandalo fahasahiranana tanteraka ny resaka varotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Araka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nisokatra ny magazay na tranombarotra sasany, omaly maraina. Nambaran’ireo mpivarotra, fa tsy maintsy manararaotra mivoha izy ireo ny maraina, mialoha ny fihetsiketsehana. Satria, tsy maintsy mampidi-bola. Ho azy ireo, tsy fantany mihitsy ny ho tohin’ ny toe-draharaha ka aleo hatao ny fomba samihafa hampandehanana ny fihariana. Tsy mbola nisokatra kosa […]

Amoron’i Mania: Mpiompy trondro 36 nentanina tany Manandriana

Manohana ny tantsaha mpiompy trondro ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny Toekarena manga (MPEB). Anisan’izany ny fidinana ifotony nataon’ny Fitan­tanam-paritra DRPEB Amo­ron’i Mania tany amin’ny kaominina Ambohimahazo, dis­trika Manandriana, ny herinandro lasa teo. Tanjona, ny hanamorana ny fahazoana ireo tohana avy amin’ny minisitera ny fidirana ao anatin’ ireo vovonana […]

Lalana RN4: Fanamboarana « radier » ao Maevatanàna

Anisan’ny asa lehibe atao amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-4 ny fanamboarana vahilava vita amin’ny « béton », antsoina hoe « radier ». Anisan’izany ny ao Anta­nambao, Maevatanàna, eo amin’ny PK315+400. Manaraka ny fandaharam-potoana napetraka ny fizotry ny asa. Vita hatrany amin’ny 90% ny asa fandrotsahana ny simenitra, fasika, vatokely (béton) anaty rafi-by. Asa atao […]