Other News

“Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy

Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. […]

Judo-Maitre Arsène: Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny IJF Academy

Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina. Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy […]

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny salon « solidarissimo » atao ao Colmar, Alsace-France, i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Salon international du tourisme et des voyages (SITV) », natokana ho an’ny fizahantany maharitra sy mirindra. Atao ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra izao ny hetsika, hahafahan’i Madagasikara mampahafantatra ny hakanton’ny Nosy sy hampiroboroboana indray ny […]

Fandaharanasa PLAE IV : Fahombiazana ny tany amin’ny faritra Sofia

Nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny taona 2022 ny Fandaharanasa iadiana amin’ny fihotsahan’ny tany, andiany fahefatra (PLAE IV). Teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), novatsian’ny firenena Alemà, tamin’ny alalan’ny KFW ara-bola. Fa­ritra efatra no voakasiky ny fandaharanasa: Amoron’i Ma­nia, Masiatra Ambony, Iho­rom­be ary Sofia. Tanjona ny hiarovana ny […]

Famatsian-jiro : Miverina ny fahatapahan’ny herinaratra

Tao anatin’ny andro vitsy, lasibatry ny fahatapahan-jiro ny ankamaroan’ny fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Omaly, efa intelo tapaka farafahakeliny ny herinaratra, izay samy naharitra manodidina ny ora roa avokoa. Mbola tsy tafiditra ao anatin’izany ilay fahatapahana maharitra ny hariva. Nilaza ny Jirama fa miiba tanteraka ny haavon’ny tohodranon’Andekaleka izay […]