Namoaka ravim-bola vaovao 10 000 Ar sy 20 000 Ar ny Banky foiben’i Madagasikara. Mitovy endrika amin’ny vola efa nisy ihany izy ireo saingy ny mampiavaka azy dia ahitana kofehy fiarovana vaovao. Hita ilay kofehy rehefa atongilana, izay miendrika kofehy mitapatapaka miova loko maitso sy mena. Rehefa ahetsika miakatra sy midina indray […]
Other News
“Youth Connekt Africa Summit 2025” : « Efa vonona ny handray ny hetsika i Madagasikara » hoy ny Tale Yann Gwet
Manao fitsirihana farany amin’ny fikarakaran’ny Malagasy ny fandraisana ny fivoriamben’ny tanora, «Youth Connekt Africa Summit 2025», i Yann Gwet, tale mpanatanteraka avy amin’ny Hub. Tonga teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tetsy Ambohijatovo, izy, omaly. Nandray azy ny minisitra Moustapha Abdulah Marson. «Tsy mbola nisy firenena tena […]
Betafo : Nampivoatra an’i Clovis ny fiompiana omby
Tantsaha mpiompy omby any amin’ny distrika Betafo, faritra Vakinankaratra, Randrianantenaina Tiana Clovis. Nampivoatra ny fari-piainany ity fihariana ity. Satria omby iray no nanombohany. Nampitomboiny tsikelikely izany tamin’ny alalan’ny fakana taranaka, izany hoe, tsirinaina, teo anivon’ny Fifamanor. Nambarany fa somary lafo ny vidin’ny fakana taranaka, ary nisy fotoana sarotra ny fahitana […]
Milina ho an’ny foibe 105 MW-Jirama: Hanomboka amin’ny sabotsy izao ny fitaterana
Araka ny efa nambara, hanomboka amin’ny sabotsy 20 septambra ho avy izao, ny fitaterana manokana ireo milina, hampandehanana ny foibe mamokatra herinaratra 105 MW eny Ambohimanambola. Hafainganina ihany koa ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa. Feno ny fepetra! Efa vita ankehitriny ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena FAHAROA, hitaterana […]
Fandehanana mafy : Moto nifandona tamin’ny Tuc-tuc
Tsy zakan’ny mpampiasa kodiaran-droa toy ny moto sy ny kodiaran-telo toy ny Tuc-tuc ny fahatsaran’ny lalana, ankehitriny, ao an-drenivohitr’i Toamasina. Tia mietraketraka avokoa ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana. Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatràna mpitondra moto tamin’ny lalana vao vita ao Ankirihiry, ny alatsinainy 15 septambra, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Samy nandeha […]






