Other News

Toliara : Loabary an-dasy momba ny harena ambanin’ny tany

Mitohy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana. Nifantohana ny fitantanana, ny fanabeazana ary ny fifanakalozam-baovao miteraka fampandrosoana. Efa nisy ny loabary an-dasy mahakasika ny ha­rena ambanin’ny tany, na­taon’ny tetikasa Taratra, tany Benetse, kaominina Ankilimalinike, kaominina Be­la­landa, Ranobe ary Tsia­fanoka. Namolavola azy ny Eglizy Katolika, tamin’ny alalan’ny […]

HCDDED tany Antsiranana : Niadiana hevitra ny demokrasia

Marihina anio ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, izay ankalazaina any Antsiranana. Mandalo eto Antsiranana, amin’izao fotoana izao, ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Mitarika izany, ny filohany Ranadialson Angelo. Anton-dian’izy ireo ny hanatanteraka atrikasa […]

Tsy fahasalaman’ny Me Kira : Hikarakara azy ny minisiteran’ny Foloalindahy

Ao anatin’ny tsy fahasalamana ankehitriny ny Me Kira Michel, kapitenin’ny ekipam-pirenena fahiny amin’ny baolina kitra ary efa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara, tamin’ny fotoanandrony. Taorian’ny antso vonjy nataony, horaisin’ny minisiteran’ny Foloalindahy manontolo ny fitsaboana azy. Omaly, tonga nijery azy teny an-tokantranony, ny jeneraly Andria­masimanana William Michel, tale jeneralin’ny rantsamangaikan’ny fiarovana […]

Arena Toamasina : Natolotra ho tantanin’ny orinasa Elite Communication

Natolotra ny orinasa Elite Communication ny fitantanana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena Arena Toamasina. Tsiahivina fa mpandraharaha mbola tanora no hitantana ity Kianja mitafo manara-penitra any amin’ny faritra Atsinanana ity. Tontosa araka ny tetiandron’ny fitondram-panjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian, ny fametrahana ny fitantanana ny Arena Toamasina […]

Atletisma – «Mondiaux 2025»: Nihintsana i Sidonie Fiadanantsoa

Tanterahina any Tokyo, Japon, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja atletisma «Mondiaux 2025». Manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Sidonie Fiadanantsoa. Omaly, nihazakazaka teo amin’ny 100 m misy fefy ny tovovavy. Vao tany amin’ny fifanintsanana dia efa nihintsana izy. 13 s 27% ny nahavitany ny halavirana ary […]