Other News

Faritra arovana : Hamafisina ny fahaiza-manao

Natao tany amin’ny faritra Anosy sy Atsimo Andrefana, ny 20 hatramin’ny 30 aogositra teo, ny fiofanana ho an’ny mpampiofana mahakasika ny fanomanana sy ny fanavao­zana ny Drafi-pampandro­soana eny ifotony handraisan’ ny rehetra anjara (PDLII) any amin’ny faritra atsimon’i Mada­gasikara. Tanjona ny hanomezana fitaovana stratejika ho an’ny kaominina tsirairay, izay natao […]

QMM Taolagnaro: Tanora 25 hisitraka ny Fandaharanasa Lombao

Manohana ny tetikasa volavolain’ny tanora ny orinasa QMM any Taolagnaro. Nivoaka ny andiany voalohany hisi­traka ny fandaharanasa Lombao. Miara-miasa  amin’ny Miarakap ny orinasa QMM amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-monina (RSE). Mpandraharaha miisa 25, vehivavy ny 14 ary lehilahy 11 no hisitraka ny fandaharanasa Lombao. Tanora 18 ha­tramin’ny 35 taona […]

Fifanintsanana Mondial 2026: Vonona haka isa 3 indray ny Barea

Hifantoka atsy Maroc daholo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra anio. Hotanterahina any mantsy ny andro fahavalo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, sokajy I. Hifanandrina amin’izany ny Barean’i Madagasikara sy Tchad. Vonona haka isa telo indray ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Na izany aza, nambaran’i Corentin Martins, mpanazatran’ny Barea […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara: Mbola voatazon’ny Cosfa ny maha tompondaka azy

Tsy niova tanana ny nahazo ny amboaran’i Mada­gasikara 2024, taranja rugby. Mbola norombahan’ny Cosfa miaramila izany, omaly, tetsy Andohatapenaka, rehefa lavon’izy ireo tamin’ny moka fohy, teo amin’ny dingan’ny famaranana, 40 no ho 39, ny FTM Manjakaray. Raha hiverenana kely, ny fifanandrinana teny an-toerana, hita ho tena niady tanteraka ny lalao, […]