Nahitana fihenana indray ny vidin’ny atody amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao teny Ambohijatovo, omaly, nilatsaka ho 450 Ariary ny kely indrindra amin’izany ankehitriny, raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Ny lehibe kosa, lasa 650 Ariary raha nojifaina 850 Ariary tany aloha. Nambaran’ireo mpivarotra fa rehefa mafana […]
Other News
« FIA 2025 »: Fihaonamben’ny famokarana
Nisokatra omaly, 4 hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany faha-7. Miaraka amin’io hetsika io koa ny Festival iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIGA), andiany voalohany. Mifameno rahateo ireo roa ireo, satria ho hita amin’ny […]
Fahavitan-tena ara-bary: Mifameno ny vary safiotra sy ny maroanaka
Teknika fambolem-bary samy manan-danja ny voly vary maroanaka (SRI) sy ny fampiasana vary safiotra. Mifameno ireo, ary samy mihoatra ny 8t/ha ny vokatra azo. Noraisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny alarobia 3 septambra teo, ireo fikambanan’ny mpisehatra amin’ny voly vary maroanaka. Nifantoka tamin’ny fampiarahana ny […]
TARATRY ny KANTO
« Hafa », ampiarahana ny kolontsaina, ny fanabeazana ary ny tontolo iainana. Hetsika iray hotontosaina anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny La Terasse Antsahavola, izy ity. Hampiarahana mpanakanto efatra ny talentany, hamoahana ny hafatra izany. I Rolf, hitondra ny funk, Naday, hilalao Rock, Jhaleone, hanao rap ary i Vi hiantsa, […]
Tontolon’ny soratra sy boky: Mihavitsy hatrany ny tantara foronina vaovao
Ny boky, zara raha misy iray mivoaka ao anatin’ny enim-bolana. Mandia lalan-tsarotra ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara, raha ny tantara foronina sy ny boky mivoaka mirakitra izany no jerena. Mihena tsikelikely ny isan’ ireo mpanoratra azy io. Ao ny talenta, manosika azy ireny. Saingy mila fotoana maharitra vao mety ho […]







