Nivoaka omaly ny didy mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona efatra tetsy By Pass, ny alin’ny alarobia 1 mey lasa teo. Voasazy higadra, sazy mihatra, 24 volana an-tranomaizina, miampy lamandy iray hetsy ariary ilay teratany sinoa nahatonga ny loza. Mandoa onitra 40 tapitrisa Ariary ho an’ireo zanaky ny maty kosa ny […]
Other News
Anosizato sy Ampefiloha : Lehilahy roa tratra nanao hala-boty
Vaosambotry ny polisim-pirenena tetsy Anosizato sy Ampefiloha, omaly, ny lehilahy roa. Tratra nanao hala-boty sy sinto-mahery ary harom-paosy izy ireo. Jiolahy iray nisintona ny kitapo sy findain’ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Nanararaotra ny fitohanan’ny fifamoivoizana nisy teny an-toerana izy, ka nisintona ny kitapo sy […]
Haintrano sy haintany : Orinasa iray ravan’ny afo inefatra miantoana
Miditra amin’ny maintany ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara. Mahazo vahana sahady ny haintrano sy ny doro tanety. Tranga nampihoron-koditra, omaly, tao Toamasina, orinasa lehibe no inefatra ravan’ny afo hatramin’ny 2019. Nahazo antso mahakasika firehetana ny vondrona mpamonjy voinan’ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, tamin’ny 03 ora maraina. Tonga teny an-toerana avy hatrany […]
Asa sy fampananana asa ao Toamasina : Ambony ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra
Faritra iray azo lazaina ho ambony amin’ny tahan’ny tsy fananana asa manara-drafitra ny any amin’ny faritr’ Atsinanana. Amin’ ny ankapobeny, ambony ny tahan’ny olona miasa-tena, afaka mitady vola ivelomana isan’andro. Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao […]
VAOVAO TAMBATRA
Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nimenomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany. Tonga eto amintsika ny iraky ny […]







