Other News

Mifamahofaho ny raharaham-pirenena: Mitohy ny fakan-kevitry ny FFKM

Nitafa mivantana tamin’ny vahoaka malagasy indray ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, halina. Mifamahofaho ny raharaham-pirenena. Mitohy kosa ny fanomanan’ny FFKM ilay fikaonandoha itadiavam-bahaolana… Misoko mangina izy ireo na eo aza ny hiakan’ ireo eny an-kianja. Manohy hatrany ny fifampiresahana amin’ireo ankolafin-kery ny eo anivon’ny FFKM. Anisan’ireo efa noraisin’ ireo filoham-piangonana […]

Revy Mahaleo : Nahazo ny anjarany Antanetibe Mahazaza

Lalan’ny atody, mpamatsy atody manerana ny Nosy. Izay no tena hahafantarana sy mampalaza ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Noho izay indrindra no antony hi­sian’ny hetsika «Fetiben’ny atody», izay niditra tamin’ny andiany fahefatra, ny faran’ny heriandro lasa teo. Na teo aza ny toe-draharaham-pirenena nafana, nafana toy izany koa ny sehon’ny Mahaleo sy […]

TARATRY ny KANTO

Nifamotoana ireo teratany malagasy monina any Paris, France, ny asabotsy teo. Nanatontosa ny «Takariva soatoavina malagasy» izy ireo. Izay nifandimbiasan’ny fampianarana ny fototry ny kabary malagasy am-panambadiana, narahin’ny fampisehoana nataon’i Justin Vali. Nampahafantarina nandritra izany ilay boky fianarana kabary malagasy, nosoratana amin’ny teny frantsay, notontosain’i Henriette Razanamalala sy i Dera […]

Marion : Tsy maintsy ahemotra ny seho

Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona! Niezaka ihany hitazona ny fampisehoana izay tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao i Marion sy ry zareo avy ao amin’ny SR Event, saingy noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena, tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo. «Somary vahotra ny lela hanambara eto ry zareo fa saingy misy ny […]

« Our Generation 2025 »: Lasan’ny Malagasy ny voalohany, tany Russie !

Pao-droa! Manaiky ny Malagasy izao tontolo izao, eo amin’ny tontolon’ny hira. Lasantsika indray ny voalohany teo amin’ny sokajy rehetra, nandritra ilay fifaninanan-kira « Our Generation 2025 ». Voalohany tamin’ny fifaninanana ankapobeny. Voalohany koa teo amin’ny fifidianan’ny mpankafy ny ekipa malagasy! Nibata ny amboara, tany Russie, i Bren­da, Mandresy ary i […]