Other News

Mgr Andriantsoavina Jean Pascal: « Mijoroa ary sahia miteny ry tanora »

Maromaro ireo mpitondra fivavahana naneho hevitra. Anisan’izany koa ny Evekan’ Antsirabe, ny Mgr Andrian­tsoavina Jean Pascal. Tsotra sady fohy ny hafany. «Mijoroa ary sahia miteny ny tsy mety, indrindra ianareo tanora. Mandraisa andraikitra amin’ny zavatra tsara», hoy izy. Nam­barany fa tsy tokony hanambany ny hafa izany na inona fahaizana, anton’asa, […]

Fikaroham-bahaolana: Efa raikitra ny fakan-kevitry ny FFKM

Misoko mangina, tsy re tsaika. Tsy an-kiandriandry fa efa ao anatin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny FFKM. Nanomboka ny fiando­han’ity herinandro ity ny fakan-kevitra nataon’izy ireo amin’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana fa maromaro ireo efa norai­sin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy […]

Fametrahana fitoniana: Niantso famotsoran-keloka ny filohan’ny Ceni

Nivahiny tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany tamin’izany fa mbola manamafy ny antso efa nataony tany aloha ny tenany, ny amin’ny hanomezana famotsoran-keloka ho an’ireo olom-boafidy sy olon-tsotra voarohirohy tsy fidiny amin’ny raharaham-pitsarana. Ani­san’izany […]

Fitantanam-panjakana: Krizy politika na sosialy no ananganana governemanta iraisana

Eo amin’ny fitantanam-panjakana, tsy tongatonga ho azy ny hoe governemanta iraisana na fiahara-mitantana. Anisan’ny anton’izany, ohatra, ny tsy fananana maro an’isa eny anivon’ny parlemanta. Eo koa ny fisian’ny ady na krizy politika na toekarena na sosialy. Izay tsara ho fantatra… Mifanohitra amin’ny go­vernemanta mitovy fisainana avy amin’ny fironana iray ny […]

TARATRY ny KANTO

« Hiara-hihira ». Tafahaona any France i Manoa, Ralisimanitra, Niry ary Rolly. Mpinamana efa ela tao anaty mozika izy ireo, fantatra tany anatin’ny fampandihizana sy ny fanafanana lanonana isan-karazany. Hiaraka an-tsehatra indray ny 8 novambra izao, satria mandalo any France koa i Rolly amin’izao fotoana. Mandrafitra ny tarika Gasy Band izy, ary […]