Other News

Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao

Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, […]

Baolina kitra – “CHAN 2025” : Mila mandresy an’i Burkina Faso ny Barea, anio

Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro […]

Antananarivo : 30% ny trano miorina ihany no manana lavapiringa

Mbola maro ny olona tsy manana toeram-pivoahana na eto an-dReni­vohitra na any am­banivohitra. Anisan’ny miteraka olana ara-pahasalamana sy disadisam-piarahamonina ny fanariana ma­loto eny an-da­lana sy eny amin’ny lakandrano. Manodidina ny 28-30 % ireo trano miorina eto Antananarivo ihany no manana toeram-pivoahana na lavapiringa ara-dalàna sy manaraka ny fenitra araka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra teny amin’ny Amphi Ankatso, ny 14 aogositra teo, ny Pr Razafinjara Lala, teknisianin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae). Notanisainy ny ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny famokarana sy fanapariahana ny masomboly voamarina sy ny fanohanana ara-teknika ny tantsaha. Nakana santionany karazana zana-trondro “Saro” (Sarotheron SP) ny kaominina Manandrano, distrika Taolagnaro, […]

Ambioka Mada: Manomboka amin’ny 4 000 Ar ny masomboly voafantina

Misehatra amin’ny famokarana sy fivarotana masomboly voafantina ary zezika biolojika ny Ambioka Mada avy any amin’ny faritra Itasy. Mam­piavaka azy ny tsy fampiasana akora simika, matanjaka sady mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro. Maro karazana ny vokatra, arakaraka ny toe-tany. Manomboka amin’ny 4 000 Ar ny ivarotana azy ireny. Anisan’izany ireo karazam-bary izay […]