Other News

Sehatry ny angovo: Natsangana ny vovonana

Natao tany Toliara, ny 5 sy 6 aogositra teo, ny atrikasa fampahafantarana ny Politika nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrahoan-tsakafo amin’ny alalan’ny angovo madio (PNDCPM). Mifarimbona manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny Pnud ary ny kabinetra Sapphyre R&D. Efa maro ny mpisehatra amin’ny famokarana angovo madio amin’ny […]

Lisi-pifidianana biometrika : Naka traikefa any Bénin ny eo anivon’ny Ceni

Efa an-dalana amin’ny firosoana ho fanatsarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny hampiasana ny lisi-pifidianana biometrika, hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Namita ira­ka any Bénin ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, sy ny ekipany naka traikefa amin’ ny fomba hanatanterahana izany amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Anton-dian’izy ireo any an-toerana […]

Karate-“Mondial 2025” : Malagasy 6 hiatrika ny dingana farany

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny niatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, natao tany Nizeria, ny filohan’ny Federasionina ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Nambarany fa nahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany iny fifaninanana iny. Ary ny tena vaovao tsara, avy hatrany dia ny dingana farany mihitsy […]

Filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako : “Aoka hahay hizara am-pitiavana madiodio…”

Nampita hafatra mafonja ny filoha am-perinasan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao synaoda faha-20 tanterahin’ny fiangonana any Taolagnaro izao. Nambarany fa ampy izay ilay tanana zatra mangorona ho an’ny tena. Entanin’ny fitiavan-tena tsy mety voky, ka na mba manome aza; mizara anaty filan-dera hitsinjovana sahady ny mety ho fifidianana, […]