Mitohy hatrany ny hetsika manodidina ny jazz. Taorian’ny « Jazz@Tohatohabato », manome fotoana ireo mpakafy izany eny amin’ny Craam, Oniversiten’ Ankatso indray, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny mpikarakara. Ny tarika Simy Nuée, ivondronan’ireo tanora hoavin’ny jazz eto Madagasikara, ampian’i Vazo Lee, zanak’i Silo izay efa manara-dia azy eo […]
Other News
Fifaninanana saripika : Hasongadina ny maha olona
Nikatona omaly ny fahafaha-mandray anjara amin’ilay fifaninanana saripika mahakasika ny maha olona. Hiditra amin’ny fisafidianana ireo maharesy lahatra azy ny mpitsara, manomboka anio hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Maro ireo mpaka sary liana tamin’ny fifaninanana, ary tsapa fa ny hanasongadina kokoa ny lohahevitra no nimasoan’izy ireo, na dia eo […]
Fialantsasatra : Miverina kely ny lalao malagasy
Misento tokana ireo raiamandreny… Mahafaly sy mahavelombolo mantsy ny mahita ireo hetsika isan-karazany, mamelona sy manome aina ary mampita amin’ny ankizy indray ireo lalao malagasy. Fotoam-pialantsasatra ho an’ny ankamaroan’ ny mpianatra izao, ka manam-potoana hahafantarana, hianarana ary hitiavana ireny karazan-dalao ireny izy ireo. Manana ny fandaharam-potoanany manome sehatra izany ireo […]
Kolontsaina any Amoron’i Mania : Homarihina ny faha-30 taonan’ny « Volambetohaka »
Niato an-taonany maro. Hiverina kosa amin’ity taona ity ny « Volambetohaka », hetsika ara-kolontsaina mampiavaka an’Amoron’i Mania. Ho ambohi-pihaonana Ambositra. «Volana» sy «Tohaka». Ireo no natambatra, nanome ny hoe « Volambetohaka ». Ny voalohany manondro fotoana ary ny faharoa kosa midika hafaliana. Araka izany, fotoam-piravoravoana ny « Volambetohaka », izay […]
TSELATRA
Lehilahy iray 50 taona tratra nivarotra zava-mahadomelina “rongony” tany Ambatonomby, kaominina Soalandy, disitrakan’Antananarivo Atsimondrano ny faran’ ny herinandro teo. Nifanehitra tamin’ny zandary nanantanteraka ny asany izy io. Nahitana rongony 46 fonosana teny aminy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina izao hetsika izao. Tovolahy mahery fihetsika efatra voasambotry ny polisin’ny FIP, […]






