Other News

“Cabaret nostalgique”-Kaiamba tena izy : Ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira

Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy maro be tsy nahafoy efa an-taonany maro ny vazo Kaiamba. Io no antony nanosika ny mpikarakara ny “Cabaret nostalgique” Kaiamba tena izy hisafidy fa « ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira amin’ity indray mitoraka ity ». Seho takariva an-kira tanterahina etsy amin’ny Le Pavé Antani­narenina, ny zoma […]

TARATRY ny KANTO

Tsy ara-dalàna ny fanapariahana sy fandefasana sanganasa, sary, feo votoatiny ara-kanto, namboarina na novaina tamin’ny alalan’ny « intelligence artificielle ». Io ny votoatin’ny taratasy nalefan’ny Ofi­sim-­pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, tamin’ireo talen’ny haino aman-jery rehetra. Fampahafantarana miharo fandrarana izy ity, satria tsikaritra fa misy haino aman-jery mandefa ireo hira na […]

Chorale Orimbato Ambatonakanga: Hamelona ireo hira fahizay ao Andafiavaratra

Hira sy soradihy tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Nanamarika ny vanim-potoana nidiran’ny fivavahana kristianina ihany koa no halahatry ny Orimbato avy ao Ambatonakanga, eny Andafiavaratra. Hetsika ara-pinoana, ara-kolontsaina ary mivoy ny tantara. Izay no tanjona amin’ny kaonseritra miavaka izay hotontosain’ny Chorale Orimbato Ambatona­kanga, ny zoma 5 jona izao, manomboka amin’ny 7 […]

Aero Expo eny Ivato: Fampisehoana ny tontolo ana habakabaka

Hatao ny 30 sy 31 mey ho avy izao, eny amin’ny Von­dron-tafika Helikoptera Ivato, ny hetsika goavana manodidina ny tontolo ana habakabaka, “Aero Expo 2026”. Andiany faharoa ity hetsika ity, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Tafika ana habakabaka malagasy. Anisan’ny mpiara-mio­mbon’antoka manohana azy manokana ny orinasa Yas […]

Spat Toamasina : Nampiakarina ho 5 000 ny zana-kazo nambolena

Eo anelanelan’ny 1 500 hatramin’ny 2 500 isan-taona ny zana-kazo ambolen’ny orinasa Spat (Société du port à gestion autonome de Toamasina), mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mitsinjara roa ny toerana hanatanterahina izany, any amin’ny Faritra arovana Ivoloina sy any Brickaville. Karazana hazoala sy zanatany no hambolena. Manodidina ny 50 hatramin’ny 80 ny mpiasa […]