Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny «Jazz@ Tohatohabato». Tanterahina anio, ny «Jazz Quartier». Hitety toerana maro eto an-dRenivohitra ny mpikambana ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ, hanatanteraka seho. Hiala eo amin’ny Araben’ ny Fahaleovantena Analakely, amin’ny 1 ora tolakandro. Hiakatra ny tonelina Ambanidia ka handalo an’Antsahabe. Tonga eo Ambanidia. Hihazo an’i Mandroseza. Ho […]
Other News
Mandalo an-tanindrazana : Hihaona indray amin’ireo mpankafy azy i Njila
Njila, Poopy ary Mahery. Fiarahana nety ka hotohizana, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Efa tonga hiatrika izany i Njila. «Revy Njila zato isan-jato». Mahalaza be ny lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosaina ny 31 aogositra izao, ao Antsahamanitra, izany. Nigadona omaly, eto an-tanindrazana, i Njila hanomana io fotoana nomeny ny mpankafy azy io. […]
Kolontsaina: Tsy mijery na mihaino ny teo aloha ny Malagasy
Na ny mamaritra ankapobeny ny atao hoe «Malagasy» aza efa zary manahirana. Ny milaza mazava hoe «kolontsaina malagasy», efa miteraka fisalasalana. Nanampy trotraka ireo ny fanariana ny an’ny tena ka nanaovana an-dohaloha ny an’ny hafa. Ny kely fantatra, mbola hihadiana hevitra hatrany… Satria, very fangitra sy fitaratra ny Malagasy. Rehefa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 aogositra ho avy izao, ny «Tournoi», ho an’ny rugby lalaovin’olona 7, lahy sy vavy. Fifaninanana karakarain’ny Malagasy Rugby. Tanjona amin’ity fihaonana ity ny fampivelarana sy fampandrosoana ity taranja ity, izay hita fa voafehin’ny Malagasy. Mitohy hatrany ny […]
El Hadary: Lasa mpilalao matihanina ao amin’ny Paris FC
Nambaran’ny klioba Paris FC, diviziona voalohany any France, omaly, fa nanao sonia amin’ny maha matihanina azy ao amin’ity ekipa frantsay ity i Ylan El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, hatramin’ny taona 2028 no hifarana ny fifanarahan’ny roa tonta. Notsiahivin’ny klioba Paris FC, fa herintaona teo izay […]






