Other News

SOMBIM-BAOVAO

Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina. Fifaninanana nokasaina hatao anio, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, saingy tsy tanteraka. Hatao anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny « Match de gala” tafiditra anatin’ny hetsika “Fête du Basket […]

Atletisma : Atleta 3 hanafika atsy La Réunion

Nanainga omaly, hihazo an’i La Réunion, hiatrika ny «Foulée du sentier littoral» mirefy 15 km hatao ao Ste Suzanne, ireo atleta 3 mianadahy. Nahitana an’i Navokoharilala (Vakinankaratra) sy Rafenomanga Juanhson (3FB) ary Edouard (Garage Radom) izany. Hitarika ny delegasiona malagasy sady mpanazatra Rafenomanga Johson. Fihaonana hotanterahina rahampitso alahady. Fanasana avy […]

“CHAN 2025” – Barea (4) – (3) Kenya : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara

Hafaliambe ny an’ny vahoaka malagasy, halina. Tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny Chan 2025, ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny fandakana tirs au but, 4 no ho 3, ny Harambee Stars Kenya. Nametraka ny dian-tanany fanindroany eto Afrika indray ny Barean’i Madagasikara. Noporofoin’ny Barean’i Madagasikara fa tsy kisendrasendra ny vo­ka­tra azony tany […]

TARATRY ny KANTO

Sehatra Bagasy (SBG) volana aogositra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanatrehan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny « SBG » ny rindran-kira tsiahy ho an’ireo raiamandreny nanorina ny tarika Dinarson Karoka. Hetsika hotanterahina eny amin’ny Akany FJKM Betafo Fanavaozana Ambohi­ma­narina, ny alahady 31 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. […]