Other News

FANTINA sy FINTINA

Hodinihina ny hamoronana kaominina vaovao noho ny fiveralaran’ny fokontany, araka ny resaka nifanaovan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalo­manana Richard, sy ny depioten’Ifanadiana, Manantena Haja Dinah, omaly, tetsy Anosy. Voaresaka koa ireo kaominina maromaro tokony hahazo distrika ary hahazoana faritra aorian’izany. Nitsikera ny minisitry ny Asa vaventy ny depiote Ratsiraka Roland. Nambarany fa […]

Fampandrosoana eny ifotony : Naravon’ny MFFT ny tetikasa Mionjo

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa Mionjo, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Notanterahina tetsy Anosy, araka izany, ny atrikasa fa­mintinana sy fandravonana ity tetikasa fampandrosoana eny ifotony ity. Niara-nifanotrona tamin’izany ireo solontena avy amin’ny Andrimpanjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary ny solontenan’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Nambaran’ny eo […]

Samy mila Vatsy tsinjo

Manomboka maresaka ny tanàna! Miditra mianatra rahateo ny mpianatra. Miverina amin’ny fomba fiaina mahazatra amin’izay ny sarambabem-bahoaka. Miverina ny fifohazana maraina, ny fanenjehana fiara fitateram-bahoaka, indrindra ny fanaterana sy fakana mpianatra. Soa ihany fa somary voafehy ny fitandroana ny filaminana, mbola tsy miova ny saran-dalana. Ny vidim-piainana efa iarahan’ny rehetra […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana aho”

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara. Nohamafisina tamin’ny dinika ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana malagasy. “Ny tenako manokana dia anisan’ny mpitantana tena manaja ny fitsarana, tsy mitsabaka amin’ny asam-pitsarana mba hahaleo tena ny fitsarana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny Filankevitra ambony momba […]

TSELATRA

Fasana roa novakian’ny jiolahy tany amin’ny fo­kontany Ampiakarana, kaominina renivohitra, disitrikan’i Soa­vinandriana afakomaly. Nahita ireo fasana efa nisokatra ny mpandalo iray tamin’ny 8 ora maraina ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy ny polisy avy amin’ny CSP Soanivandriana. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny taolan-dava valo tao anatiny. Efa misokatra ny […]