Other News

Fifanakalozana ara-barotra : Mametraka fototra i Madagasikara sy Kolombia

Nifanakalo hevitra sy traikefa ny kolombianina sy ny Malagasy nandritra ny « Business Forum Colombia–Madagasikara », natao omaly, fotoana nitsidihan’ny filoha lefitra kolombianina, Francia Elena Márquez Mina. Tanjona ny hametrahana fototra maharitra ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Hetsika nokarakarain’ny EDBM tetsy amin’ny An­tenimieran’ny varotra […]

Basikety-Mada U20 : Tompondaka ny EBF sy ny NBE

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonima­mo, ny famaranana ny  fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny NBE Vakinankaratra ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny ekipan’ny EBF Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa fifaninanana mamarana ny taona, […]

Karate Tanà Ville-« Kids Cup&U14 » : Nahazo medaly 18 ny ny klioban’ny Tekado

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Re­nivohitra, taranja karate. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny klioban’ny Tekado. Karatekas 18 no solontenan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity ary tena tsa­ra ny vokatra azo. Medaly 18 be izao noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tekado, […]

Tolona torapasika- Afrika: Nahena ny isan’ny atleta noho ny olana ara-bola

Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”. Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 ha­tramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika […]