Other News

Randriamanampisoa Alfred : Voafidy ho filoha lefitry ny Cosafa

Nahazo mpitantana malagasy ny Komity Mpanatanteraka an’ny Cosafa. Lany ho filoha lefitry ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’ny afrika, ny mpitantana voalohan’ny federasionina FMF, Randriamanampisoa Alfred. Notontosaina omaly, tany Harare Zimbaboe, ny fivoriambe ara-potoanan’ny fikambanan’ireo federasionina aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, Cosafa. Voafidy ho filoha lefitra ny filohan’ny Federasionina  […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 40 ny « escale » ataon’ireo sambo mpitondra mpizahatany ho avy eto Madagasikara ny taona 2026-2027. Hetsika manomboka ny volana novambara ka hatramin’ny marsa, ny taona ho avy. Tanjona ny hanamafy sy hanatsara ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mikasa hanao « escale » miisa 5 eto amintsika mandritra ny […]

Fambolena matanjaka : Andry ho an’ny fampandrosoana ny toekarena

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena eto Mada­gasikarana ny fambolena sy ny fanodidina ny vokatra eto an-toerana. Nivoitra izany nandritra ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indos­tria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MID­SP), Tatamiarisoa Manan­­koraisina Landry, nandritra ny tsenabe iraim-pirenena eto Madagascar (FIM). « Fotoana izao hanaingana ny […]

Ascent Madagascar : 250 tapitrisa dolara hanamafy ny fisitrahana angovo

Mitentina 250 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nomen’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ny tetikasa « Accelerating Sustainable and Clean Energy Access Transformation in Madagascar » (Ascent Madagascar). Tanjona ny hisitrahan’ny malagasy maherin’ny 2,5 tapitrisa ny herinaratra sy hampiasana ny angovo madio ho an’ny sakafo. Hiasa amin’ireo tanàn-dehibe sy faritra ambanivohitra ny tetikasa. […]