Malagasy mpibata fonjamby nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Egypte, Ramiaramanana Elariont Ricardo. Maniry ny hifaninana amin’ny lalao olympika izy. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, izay natao tany Egypte, ny faran’ny herinandro teo. Nirarakompana ny medaly azon’ny malagasy, izay mitotaly 14 […]
Other News
Randriamanampisoa Alfred : Voafidy ho filoha lefitry ny Cosafa
Nahazo mpitantana malagasy ny Komity Mpanatanteraka an’ny Cosafa. Lany ho filoha lefitry ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’ny afrika, ny mpitantana voalohan’ny federasionina FMF, Randriamanampisoa Alfred. Notontosaina omaly, tany Harare Zimbaboe, ny fivoriambe ara-potoanan’ny fikambanan’ireo federasionina aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, Cosafa. Voafidy ho filoha lefitra ny filohan’ny Federasionina […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 40 ny « escale » ataon’ireo sambo mpitondra mpizahatany ho avy eto Madagasikara ny taona 2026-2027. Hetsika manomboka ny volana novambara ka hatramin’ny marsa, ny taona ho avy. Tanjona ny hanamafy sy hanatsara ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mikasa hanao « escale » miisa 5 eto amintsika mandritra ny […]
Fambolena matanjaka : Andry ho an’ny fampandrosoana ny toekarena
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikarana ny fambolena sy ny fanodidina ny vokatra eto an-toerana. Nivoitra izany nandritra ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Tatamiarisoa Manankoraisina Landry, nandritra ny tsenabe iraim-pirenena eto Madagascar (FIM). « Fotoana izao hanaingana ny […]
Entana lany daty : Hentitra ny fanaraha-maso
Manohy ny ady amin’ny fiparitahan’ny entana lany daty manerana ny Nosy ny ekipan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Maro ireo entana tratra sy nogiazana, hanokafana fanadihadiana kosa ireo mpivarotra tsy manaja ny fenitry ny fivarotana. Tao Andakabe sy Namahora, faritra Menabe, dibera miisa 29 no tratra ka handraisana fepetra. Nahatrarana […]






