Nanomboka omaly, any Antsirabe ny fampivodronana ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe. Miisa 24 izy ireo ka ny 1 avy any France dia i Aubriot Fanja. Hifantenana izay ho mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’olon-telo miaraka hatao any Douaisis, France ny 9 ka […]
Other News
Échecs -“Tournoi Inter-Entreprise”: hotohizana amin’ny volana septambra
Amin’ny volana septambra izao indray ny fifaninanana “Tournoi Inter-Entreprise”, taranja Échecs, karakarain’ny federasionina malagasin’ ny lalaon-tsaina Échecs. Mbola hisy ihany koa amin’ny volana desambra izao, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina. Fifaninanana natao hijerena ireo mpilalao eny anivon’ny orinasa ity lalao ity. Efa betsaka mantsy ny mpilalao mahay any […]
« Salon National des Sports »: samy nanaiky ny maha zava-dehibe ny hetsika ny mpiantsehatra
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny Fanatanjahantena. Ho fanamarihana izany, nikarakara hetsika goavana, « Salon National des Sports », miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, teny an-toerana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Marson Abdulah. Samy nahatsapa ny […]
“Urban Trail”- Ady amin’ny lefakozatra: nahatratra 4500 ny isan’ireo mpandray anjara
Samy afapo tamin’ny hazakazaka, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny Rotary Club, ireo mpandray anjara tamin’ilay “Urban Trail”. Natao hitadiavana vola hiadiana amin’ny lefakozatra izany. Nahomby ! Mpandray anjara maherin’ny efatra arivo, izany hoe 4500, tonga niatrika ny hazakazaka amin’ny alaviran-dalana, “Urban Trail”, omaly. Araka ny […]
Faharetana sy fiaretana
Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fahatapatapahan-jiro sy rano… Mila fiaretana sy faharetana ny famahana olana? Mba indray mandeha tsy miverina, azo antoka, mahomby, maharitra… Miandry sy manantena ny vahoaka. Tsy inona, ohatra, izay fiaretana fa fahoriana, raha tsy mitera-bokatra ho amin’ny fiainana… lanja miakatra. Mandra-pahoviana? Tsy misy olana tsy azo vahana. […]







