Other News

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io. Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy […]

Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao

Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, […]

Baolina kitra – “CHAN 2025” : Mila mandresy an’i Burkina Faso ny Barea, anio

Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro […]

Antananarivo : 30% ny trano miorina ihany no manana lavapiringa

Mbola maro ny olona tsy manana toeram-pivoahana na eto an-dReni­vohitra na any am­banivohitra. Anisan’ny miteraka olana ara-pahasalamana sy disadisam-piarahamonina ny fanariana ma­loto eny an-da­lana sy eny amin’ny lakandrano. Manodidina ny 28-30 % ireo trano miorina eto Antananarivo ihany no manana toeram-pivoahana na lavapiringa ara-dalàna sy manaraka ny fenitra araka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra teny amin’ny Amphi Ankatso, ny 14 aogositra teo, ny Pr Razafinjara Lala, teknisianin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae). Notanisainy ny ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny famokarana sy fanapariahana ny masomboly voamarina sy ny fanohanana ara-teknika ny tantsaha. Nakana santionany karazana zana-trondro “Saro” (Sarotheron SP) ny kaominina Manandrano, distrika Taolagnaro, […]