Misehatra amin’ny famokarana sy fivarotana masomboly voafantina ary zezika biolojika ny Ambioka Mada avy any amin’ny faritra Itasy. Mampiavaka azy ny tsy fampiasana akora simika, matanjaka sady mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro. Maro karazana ny vokatra, arakaraka ny toe-tany. Manomboka amin’ny 4 000 Ar ny ivarotana azy ireny. Anisan’izany ireo karazam-bary izay […]
Other News
Sehatry ny angovo: Natsangana ny vovonana
Natao tany Toliara, ny 5 sy 6 aogositra teo, ny atrikasa fampahafantarana ny Politika nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrahoan-tsakafo amin’ny alalan’ny angovo madio (PNDCPM). Mifarimbona manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny Pnud ary ny kabinetra Sapphyre R&D. Efa maro ny mpisehatra amin’ny famokarana angovo madio amin’ny […]
“Bazar de la Sadc” : Misongadina ny vita malagasy
Maro ny hetsika mialoha ny Fihaonambe an-tampony andiany faha-45 ny Sadc. Anisan’izany ny « Bazar de la Sadc », eny amin’ny foibe Enirace, Lac Iarivo. Nosantarin’ny filoha Rajoelina Andry, afakomaly, ny hetsika « Bazar de la Sadc ». Miisa 200 ny tranoheva eny an-toerana, ahitana mpandray anjara maherin’ny 300 isa. Hita eny ny vokatra […]
Lisi-pifidianana biometrika : Naka traikefa any Bénin ny eo anivon’ny Ceni
Efa an-dalana amin’ny firosoana ho fanatsarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny hampiasana ny lisi-pifidianana biometrika, hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Namita iraka any Bénin ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, sy ny ekipany naka traikefa amin’ ny fomba hanatanterahana izany amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Anton-dian’izy ireo any an-toerana […]
Karate-“Mondial 2025” : Malagasy 6 hiatrika ny dingana farany
Nanamafy ny maha zava-dehibe ny niatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, natao tany Nizeria, ny filohan’ny Federasionina ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Nambarany fa nahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany iny fifaninanana iny. Ary ny tena vaovao tsara, avy hatrany dia ny dingana farany mihitsy […]






