Other News

Ortana : Nivoaka ny boky soridia tsidi-bohitra eto Analamanga

Tena ilain’ny mpizahatany ny mahafantatra ny toerana tsidihiny. Manamora ny diany ny boky soridia, toy ny fahita any ivelany. Nahavita dingana lehibe ny Ofisim-paritry ny fi­zahantany Analamanga (Ortana), amin’izao 15 taona niorenany izao. Nampahafan­tarina omaly ny fivoahan’ny boky soridia, ahitana 128 pejy. Mirakitra ny toerana manan-danja tsara tsidihina eto amin’ […]

TARATRY ny KANTO

« Oscars-Academy Awards ». Nahazo fankatoavana ary efa am-perinasa ny kaomity misahana ny fifantenana ireo horonantsary hisolotena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Mbola manao antso avo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika ny Ivon’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara na ISSM, mba handefa ireo vokatra izay hifaninanana anatin’ny sokajy « Meilleur film international 2026 ». Voatendry […]

Fikarohan’i Miampita Iorenana: Voarakitra anaty boky ny tantaran’Imady

Nampahafantarina teny Avaratr’Antanimora ny fivoahan’ny boky “Imady : Fitiavana sy ny Tantarany”, nosoratan’i Miampita Iorenana. Namba­rany fa “tsy tokony hiandrasana vahiny ny fanaovana izany. Isika miaina azy sy mahita ary mahafantatra azy no zava-dehibe”. Nohamafisiny rahateo fa “mirakitra ny tanta­ran’Imady ity boky ity ary manabevoho ireo tahirin-kevitra amin’ny teny malagasy […]

« Tena kanto » : Ho vahinin’i Poopy koa i Denise

Tsy mbola nisy nampiara-peo an-tsehatra tamin’i Poopy ireo vahininy. Mbola hiampy iray izy ireo ho fanomezana avy aminy. «Ny fandraisan’anjaran’i Denise no fanomezana ho an’ireo mpankafy. Fanome­zana ho ahy koa anefa izany », hoy ny nambaran’i Poo­py, nandritra ny fampahanfatarana ny andinindinin’ny seho hataony, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, omaly. Mahakasika […]

FANTINA sy FINTINA

Navoaka, rehefa voatazon’ny zandary tao Toliara sy niakatra fampanoavana, Rabevahiny Elia, avy amin’ny Otrikafo sy ny namany miisa 5 amin’ny fikambanana Mazoto. Hiakatra fitsarana ny 12 aogositra ny raharaha. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanoherana ny fanjakana sy ny tetikasa Base Toliara. Nanolotra ordinatera sy kojakoja ary “connexion” maimaimpoana […]