Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahamasina. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry […]
Other News
Tenisy ambony latabatra – «Afrique Junior»: Nivoaka ho mpandresy i Tiana sy i Riana
Tsara fanombohana ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior. Samy nahazo fandresena avokoa mantsy i Tiana sy i Riana teo amin’ny U15, vehivavy. Manohy ny lalany, araka izany, izy ireo. Nitohy omaly alarobia, tany Lagos Nigeria, ny fiadiana ny […]
Malagasy ao Maorisy : Nanangana klioba rugby mitondra ny anarana MRM
Maro dia maro ireo Malagasy miasa sy monina any Maorisy. Ho fampiraisana azy ireo sy izay mankafy ny taranja rugby, nanangana klioba Malagasy rugby in Mauritius (MRM) izy ireo. Efa nijoro ara-dalàna izany ny taona 2020. Miray hina ny Malagasy! Hankalaza ny fahadimy taona nijoroany ny klioban’ireo Malagasy mpilalao rugby […]
Kick Boxing-Analamanga: Nitombo ny mpandray anjara
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara ary niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny ligy. Ady miisa 69 no nitranga nandritra ny iray andro ary “classe A” ny […]
Fanafihana eny amin’ny RN2 : Jiolahy valo naiditra ao Ambalatavoahangy
Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Anjakan’ny asan-jiolahy mahery vaika eo anelanelan’i Brickaville Antsapanana, lalam-pirenena faharoa sy Amboditavolo, lalam-pirenena faha-11 A, mihazo an’i Vatomandry tato ho ato. Lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo ny taksiborosy sy kamiao, hatramin’ny mpandraharaha. Noho izany, nanao ezaka hampandriana fahalemana ny zandary ka nanao […]






