Other News

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 5 Mahamasina, ny talata tamin’ny 7 ora hariva teo. Tra-tehaka teo am-pangalarana findain’olona iray teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara teny amin’ny Fasan’ny karana izy io. Nahatratra azy io ny polisy nanao fisafoana teny an-toerana. Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy.

Lehilahy voatsatoka antsy inenina : Notanana am-ponja ny nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambo­hitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kao­minina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 […]

Raharaha Ambohimalaza: Naiditra am-ponja i Fenohasina sy ny reniny

Vita omaly alina ny fakana am-bavany an’i Fenohasina sy ny reniny, mahakasika ny raharaha nahafatesan’olona am-polony teny Ambohimalaza, nanomboka ny 14 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Taorian’ny fakana am-bavany, nijery ny vesatra niandry azy ireo ny mpitsara mpanao famotorona ka namoaka didy […]

Fanondranana volamena antsokosoko: Teratany srilankey iray tratra, roa lahy hafa karohina

Volamena 2,115 kilao no tratra saika haondrana antsokosoko. Sarona koa ny trano fandrendrehan’ireo mpanao trafika bolongam-bolamena. Nahomby indray ny eza­ka nataon’ny Fadintse­ranana malagasy. Te­ra­tany srilankey iray no tratra nitondra volamena antsokosoko, milanja 2,115 kilao, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 22 jolay teo. Ni­kasa handray ny sidina EK 708 ho any […]