Nidinika teny Iavoloha, omaly, ny filoha Rajoelina Andry sy ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama. Nivoitra tamin’izany fa mijanona ho fananan’ny fanjakana ny orinasa, tsy hisy ny fandroahana mpiasa. Nitondra fanazavana ny filoha Rajoelina Andry mba hialan’ny ahiahin’ ny mpiasan’ny Jirama. Ny fanovana ny sata tsy midika ho fisintahan’ny fanjakana ao amin’ny […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Fifaninanana vakiboky ho an’ny faritra Analamanga. Notolorana mari-pankasitrahana omaly, ireo nandresy, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fifaninanana nokarakarain’ny ONG Diary Nofy izy ity, niarahany tamin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mpianatra avy eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ireo nifaninana, ka ireo telo voalohany no hisolo tena ny faritra Analamanga mandritra ny […]
Sehatra bagasy: Miato kely ny seho, omanina ny rakikira
Ny sabotsy 12 jolay teo no nanakatona kely ny hetsika ho an’ny Sehatra Bagasy. Antony, noho ny fakan-drivotra sy fotoam-pialantsasatra eo amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Mandritra ny volana aogositra no hisy io fiatoana kely io. Na izany aza, misy hatrany ny famerenan-kira ho fanomanana ilay fandraisam-peo (rakikira) isaky […]
Randja Zanamihoatra: Nilomano tao anaty tontolo marolafy
100 taona izy, raha mbola teo. Mbola maro anefa ireo tsy fantatry ny rehetra momba ity mpanoratra marolafy ity sy ny tontolony. Misokatra ho an’ireo liana ny fampirantiana ny momba azy. Angamba izy no Malagasy mpanoratra, nahasarika mpikaroka maro indrindra… Kanefa dia mbola maro ireo zava-baovao mivoaka tsikelikely, indrindra ireo […]
Fahasimban’ny soatoavina: Tsy mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara intsony ny Malagasy
Nanjary sahirana manavaka ny ratsy sy ny tsara ny Malagasy. Na efa hita ankarihary izao aza fa ratsy, mbola teraka ihany ny adihevitra hoenti-maneho fa tsara ilay tranga. Na ireo ambara fa manam-pahaizana sy be diplaoma aza, milaza fa « tsara » io. Tahaka izany hatrany. Antony lehibe no mahatonga izany. Fady, […]






