Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny tena andraikitry ny filoha Rajoelina Andry, hitarika ny Sadc, manomboka amin’ny aogo­sitra 2025. Mitarika ny asan’ny fihaonana an-tampony. Mamaritra ny laharam-pahamehan’ny Sadc. Misolo tena ny Sadc sy ny mpikambana any amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Mandrindra ny asan’ny Troïka. Manara-maso ny fandaharanasa. Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny tetikasa hiatrehana […]

Angovo maitso : Hamoraina ny fahazoana ny fitaovana

Mifototra amin’ny angovo maitso, madio sy azo havao­zina ny fampandrosoana ma­haritra. Hanatrarana izany, miara-miombon’antoka ny orinasa Solarmax sy ny Sipem Banque, manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny fitaovana sy ny kojakoja ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, vidiana tsikelikely. Ao anatin’ izany ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro, ny vata manova tanjaka […]

Atsimo Andrefana-FER 2025 : Hampiroborobo sehatra maro ny fisian’ny tetikasa lehibe

Nanokatra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (Fer) Atsimo Andrefana, ny 17-18 jolay, tany Toliara, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), Andriantsitohaina Naina. Izy rahateo no mpiahy ny faritra Atsimo Andrefana. Notsipihiny manokana fa « araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, tsy misy kaominina, na distrika, na faritra ho hadino. Hampiro­borobo […]

“Coupe Internationale de Tanà” : Nahomby ny Klioban’ny Tekado

Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fifaninanana “Coupe internationale de Tanà”, taranja karate, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny klioban’ny Tekado. Klioba manana ny maha izy azy ary anisan’ny nasain’ny mpikarakara. Fahombiazana no azo ilazana ny vokatra azon’ireo mpikatroka nisolo tena ity klioba ity, izay nampiseho […]